Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Mpanjaka sy ny Ray aman-dreny : Dia mbola hatao fitaovana politika foana

La gazette de la grande île
17/05/20232 minute read

Ny mpanjaka, ny anakandriana, ny Tangalamena, ny sojabe ary ireo olobe mpitondra sy mitazona ny fomba malagasy ireo no efa ihazakazahan’ireo mpanao potika ankehitriny. Mazava ho azy fa manana vahoaka sy olona izy ireny. Afaka manome toromarika ihany koa hoan’ny olona iadidiany amin’ny fifidianana ary to-teny. Mbola mangataka ny hevitrin’ny ray aman-dreny ara-drazana ireo ny olona any ambanivohitra any rehefa tonga ny fifidianana toa izany vao mifify. Eo anatrehan’izany dia ihazakazahan’ny mpanao politika ny mandeha any amin’izy ireny. Mpanjaka maro no efa milaza ankehitriny fa andalovan’ireo mpanao politika amin’izao fotoana izao. Hitondrana vola kely dia angatahina tso-drano.
Anaovana lela mamy sy anehoana fitiavana ary fampanantenana izy ireny matetika. Rehefa vita nefa ny ilana azy dia andosirana izy ireny.
Izany dia mbola azo ekena ihany fa ny tena olana be dia ny fampiasana azy ireny atao fitaovana famonoana afo pôlitika. Rehefa tonga ny krizy pôlitika eto amin’ny firenena ity dia antsoina izy ireo handamina. Lazaina fa ray aman-dreny, olon-kendry sy ny sisa… Dia tambatambazana izay tsy izy handamina. Izany ihany no ilaina ny mpanjaka sy ny ray aman-dreny ara-drazana ary ireo olobe eto Madagasikara sisa. Rahoviana vao hapetraka amin’ny toerana maha ray aman-dreny azy marina izy ireny ka hohajaina ny hasiny? Na tiana na tsy tiana dia izy ireny sisa no mitazona ny hasin’ny firenena malagasy, ny soatoavina, ny kolontsaina ary ny maha malagasy. Tsy hain’ny malagasy ny manaja ny ray aman-dreniny ka tsy mahagaga raha mivaralila toa izao ny firenena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top