78 ireo masoivohon’ny Fikambanam-piantohana MAMA manerana ny Nosy. Orin’asa iray goavana izany satria mampiasa olona an-jatony miely patrana manerana ny Nosy. Ao anatin’ny fotoam-pankalazana ny faha 55 taonany amin’izao fotoana ny Fikambanam-piantohana MAMA ka nisy ny tsangam-bato fanamarihana izany teny Imerintsiatosika. Asa vita tao anatin’izany ny fisian’ny kianja “synthétique” filalaovam-baolina ahafahana manatontosa lalao iraisam-pirenena. Mbola mametraka vina koa ny Filohan’ny filankevi-pitondran’ity tranom-piantohana ity, Rolin, fa ho avy ny fotodrafitrasa hafa, toy ny dobo filomanosana sy kianja filalaovana “Basket-Ball”. Ny mampiavaka ity Fikambanam-piantohana ity, amin’ny maha-isan’ny orin’asa Malagasy mampiasa olona azy, dia natao handraisan’ny rehetra tsy an-kanavaka anjara ny fotodrafitrasa aorina mba ho tombotsoan’ny daholobe. Rehefa miorina ambony paik’ady mahomby sy tsara tantana ary amim-pahamarinana, tsy misy fingampingana ny orinasa malagasy, dia ahitana asa mivainga sy miroborobo fatratra. Voka-tsoa tamin’ny valin-kasasarana no sitrahin’ny mpiasa satria nitombo 10% ny karaman’ny mpiasa ao amin’ity tranom-piantohana MAMA ity nanomboka izao volana may izao. Ezaka nateraky ny fiarahan’ny fianakaviamben’ny MAMA no nahafahana niroso tamin’izany na dia nandia krizy aza ny firenena taorian’ny covid19, ary ny orinasa MAMA dia isan’ny tsy afa-bela fa niharan’izany. Tsy nahasakana ny Tale jeneraly Sabine Ranirimanga sy ny Filohan’ny filankevim-pitondrana Rolin miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny tranom-piantohana izany ny nampitovy fomba fijery amin’ny fampiroborobana ny Fikambanana ho tombontsoan’oreo mpikambana sy ny mpiasa ao. Miroborobo fatratra, ary tsy mitsahatra mivoatra hatrany ny orinasa malagasy , toy ny tranom-piantohana MAMA izany. Ao anatin’ny fankalazana ny faha 55 taona ity tranom-piantohana ity amin’izao fotoana, ka nifamotoana tetsy amin’ny Espace Rose ny mpiasa sy ny mpampiasa manerana ny tranom-piantohana miisa 78 eto amin’ ny Nosy. Raha atao jery todika ny ezaky ny orinasa malagasy MAMA dia taratra ny fitantanana mahomby ka nahafahany namelon-tena amin’ny fampiodianana ara-dalàna azy. Maro ireo foto-drafitrasa najoron’ity orinasa ity tao anatin’ny taona maro. Tsaqpa fa rehefa mizotra tsy misy ny fanelingelenena ataon’ny mpitondra fanjakana, na izay mikendry ny tombotsoa manokana, dia miara-migoka ny voka-tsoa ny mpiasa sy ny mpampiasa , eny fa na ny fiaraha-monina aza misitrika ny tamberin’andraikitra mifanaraka amin’izany. Tokony hampisitraka tombontsoa ny firenena toy izany avokoa ny orinasa Malagasy eto Madagasikara raha tsara tantana, na an’ny fanjakana na ny sehatra tsy miankina. Maro ireo orinasa lasan’ny vahiny kanefa ny Malagasy lasa tompony mangataka ny atiny hatrany. Hany ka miraviravy tanana ny mpampiasa vola Malagasy manoloana izany eto amintsika.