Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

LOLA RASOAMAHARO : « TSY HILEFITRA NY LA GAZETTE »

La gazette de la grande île
19/05/20237 minute read

Vaovao nahoraka tao anatin’ny minitra vitsy teto Antananarivo ka hatrany ampitan’ny ranomasina ny sabotsy hariva ny nisamborana an’i Lola Rasoamaharo, filoha sady tale jeneralin’ity La Gazette de la Grande Ile famakinao ity. Poa toa izay koa ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra ara-tsosialy, ary izay koa no isan’ny nampiely haingana ka nahafantaran’ny maro ny raharaha.

    INONA NO NITRANGA ?
Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina dia avy eny Ambohipo hody any an-tranony (Ivandry) i Lola Rasoamaharo no nisy fiara nijanona, nanainga saro-milina na « capot ». Nisy olona niondrika tao, toa manamboatra fa hoe sendra fahasimbana. Nibahan-dalana io fiara io, ka tsy nahafahan’ny fiara nitondra an-dRasoamaharo nanohy ny diany. Nanatona ny mpamily an’i Lola Rasoamaharo ilay mpamilin’ilay fiara toa simba mba hifanome tanana hanosehana ilay fiara hikisaka mba hahafahanareo manohy ny dia. Tao anatin’izay, nivoaka hiara-hanosika ilay fiara simba ny mpamilin’i Lola Rasoamaharo no avy hatrany dia notemerina zandary telo mitam-piadiana ny varavaran’ny fiara nisy an’i Lola Rasoamaharo. Niangavy an’i Lola Rasoamaharo izy ireo hivoaka ny fiara ka hanaraka azy ireo fa misy didy fampisamborana azy ity. Tsy taratasy no niraketan’io didy fampisamborana io fa soratra anaty finday.

    TANY ANKADILALANA AVY HATRANY
Tsy nisy alaharo moa avy eo na fanontaniana azo napetraka fa nivantana teny amin’ny tobin’ny zandary mpanao famotorana teny Ankadilalana, ary niangavian’ny tao hivoaka ny mpiara-dia tamin’i Lola Rasoamaharo (mpamiliny) fa hoe « hotanana aty izy ».
Tsy notanana tamin’ny fonjakely (violon) tao amin’ny zandary anefa izy fa tao amin’ny biraon’ny lehiben’ny mpanao famotorana ihany mandra-maraina.

    NOSAVAINA NY TRANONY
Rehefa maraina ny andron’ny sabotsy, tokony ho misandratrandro teo, dia nentina avy hatrany niazo ny lapan’ny Fitsarana etsy Anosy i Lola Rasoamaharo fa hoe « miakatra fampanoavana avy hatrany ». Nantsoina hohenoana tamin’izany koa i Fetra R. , mpiara-miasa amin’i Lola Rasoamaharo, ary karazan’ny voafitaka ihany izy satria nambara fa « hohenoina ho vavolombelona », kay nofatorana andraikitra ho mpiray tsikombakomba amin’i Lola Rasoamaharo. Minitra maromaro taorian’ny nahatongavana teny amin’ny lapan’ny Fitsarana dia nisy avy hatrany ny fepetra nanaraka, dia ny fandehanana nisava ny trano fonenan’i Lola Rasoamaharo. Dia lasa nisava ny tranony teny Ivandry ny manam-pahefana. Nizotra tamin’ny tokony ho izy ny fisavana. Valopy iray no noraisin’ny mpanao fisavana, izay nisy soratra hoe « 10 millions ». Teo noho eo ihany dia nilaza ilay lehiben’ny mpanao fisavana, hoe « itony izany ilay vola nalaina an-keriny na « extorsion de fonds) ?»

    ROA LOHA NY FIHAMPANGANA
Rehefa nalaina am-bavany teny amin’ny fampanoavana i Lola Rasoamaharo ny tolakandron’ny sabotsy dia nambaran’ny mpitsara naka am-bavany azy ny hoe « fakana an-keriny vola na « extorsion de fonds » sy fanalam-baraka tamin’ny alalan’ny soratsoratra tamin’ny rindrina no ihampangana anao ».
Tokony ho tamin’ny enina ora hariva dia karazan’ny vita ny fakana am-bavany azy, ary efa naman’ny nirava ny fakana am-bavany. Antsasak’adiny taorian’izay anefa dia niantso tampoka indray ilay mpitsara naka am-bavany ka hoe « misy zavatra hafa tokony hanontaniana ka aleo tohizana indray ». Tsy nisy inona akory fa toa baiko ka tokony tamin’ny valo ora hariva dia hoe « ampidirina amponja monjimaika miandry ny fotoam-pitsarana izany ianao ». Dia nentina avy hatrany teny amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo sy ilay mpiara-miasa aminy, Fetra R.

    TSY ZAVA-BAOVAO
Omaly tolakandro moa dia niantso mpanao gazety tetsy Ambodivona ny mpisolovava ny milaza fa mpitory an-dRasoamaharo Lola, izay tsy iza no mpitory fa Rtoa Razaka Brigitte. Nanambara ireo mpisolovava ireo fa « olona niara-niasa ihany i Lola Rasoamaharo sy Razaka Brigitte, ary nisy fifanarahana nifanaovan’ny roa tonta ka tao anatin’ny fanatanterahana izany no hoe nitakian-dRasoamaharo vola 800 Tapitrisa ariary mahery Rtoa Razaka Brigitte. Io izany, hono, ilay hoe « mitaky vola na « extorsion de fonds ». Dia teo koa no nanamafisan’izy ireo ilay hoe « fanalam-baraka amin’ny soratra amin’ny rindrina ».
Ho an’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena dia tsy zava-baovao izany fa ny olona izay mitory dia tsy olon-tsotra loatra, araka ny filazan’ny sasany fa vadina diplaomaty vahiny (italiana), ary isan’ny manana trano maromaro eto andrenivohitra. Manana fifandraisana manokana amin’ny tompon’andraiki-panjakana izay iantefan’ny lahatsoratra mitsikera na manakiana matetika azy eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy iza io tompon’andraiki-panjakana io fa i Naina Andriatsitohaina, ben’ny tanàna’Antananarivo. Fantatra koa fa manana fifandraisana amin’ny manam-pahefana sasany ara-panjakana Rtoa Razaka Brigitte.
Mba hamelezana an’i Lola Rasoamaharo izany, satria toa tsy mety mangina na milefitra amin’ny lahatsoratra an-gazety eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile, dia nasaina nitory Rtoa Razaka Brigitte, ary iny no natao fototry ny fanenjehana araka ny lalàna an-dRasoamaharo.

    ANTONTAN-TARATASY FANOMBOHANA
Ny somary nanaitra koa tamin’ny fotoana nakan’ny fampanoavana am-bavany an-dRasoamaharo Lola dia ny nilazan’ny mpitsara hoe « fitoriana savaranonando » satria antontan-taratasy fanombohana ihany izao akana ambavany anao izao fa ho avy ny manetsabe. Toa midika izany fa hisy antontan-taratasy marobe hafa, mirakitra fitoriana maro samihafa, mbola ho avy hitambesatra eo an-tsorok’i Lola Rasoamaharo. Tsy tana moa ny eritreritra teo anoloan’izany ka lasa tany amin’ny hoe « hisy fanentanana olona maro hitory an-dRasoamaharo Lola ange izany ary hitohy vakana ny raharaha hiakarany eny amin’ny fitsarana e ! »

    HELOKA BEVAVA
Raha ampilaharina na ampitahaina amin’ny fihampangana olona ka mety hiteraka fanafainganana ny fakana am-bavany eny amin’ny Fitsarana izao Raharaha mahasaringotra an’i Lola Rasoamaharo izao, dia mba mahazendana ihany ary tsy misy tsy hieritreritra fa « tetika hampanginana ny La Gazette de la Grande Ile izao ».
Voalohany, ny fomba nisamborana azy. Efa voatily ny tontolo andron’ny zoma izany ny fandehanan’i Lola Rasoamaharo, ary iny alin’ny zoma iny no nokendrena nanaovana ny « fisamborana » miaraka amin’ny tetika efa vita fanomanana mialoha. Amin’ny raharaha toa izany mantsy, raha ireo voalaza etsy aloha ireo ny fihampangana, dia azo natao ny nandefa fiantsoana azy hanatona ny polisy (zandary) mpanao famotorana fa tsy fisamborana andro alina, miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana. Manoatra noho ny olona mpanao fanafihana mitam-piadiana (attaque à mains armées) na olona manao fakana an-keriny (enlevement na kidnapping), izay heloka bevava.
Ny olona mahery setra mpanao heloka bevava koa no akarina haingana amin’ny fampanoavana mba hitanana amponja (detention preventive) azy fa tsy mpandraharaha mitana orin’asa fanaovan-gazety toa azy.

    TSY HILEFITRA NY LA GAZETTE
Eo anoloan’izany rehetra izany dia mazava ny resaka. Tombontsoa politikan’ny mpitondra fanjakana no nisamborana an’i Lola Rasoamaharo dia Rtoa Razaka Brigitte no naroso ho mpitory mba hanakonana ilay tetika maloton’ny mpitondra fanjakana. Isan’ny tsy nitsitsian’ny La Gazette de la Grande Ile fitenenana tamin’ny lahatsoratra navoaka teto mantsy ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ary amin’ny ankapobeny izany, manomboka amin’ny filohampirenena ka hatrany amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga sy isa-tsehatra. Tsy ny mpitondra fanjakana ankehitriny ihany no voakiana mafy sy voatsikera mandrivorivo ary voakororoka teto amin’ity gazety ity fa ny mpitondra fanjakana nifandimby teto tato anatin’ny 20 taona satria 20 taona izao ny La Gazette de la Grande Ile.
Na olon’ny fitondrana na olon’ny fanoherana amin’izao fotoana na olon-tsotra na zovy na iza dia tsy misy mino amin’ny kilalao maloto atao amin’izao fisamborana an’i Lola Rasoamaharo izao hoe « tsy fiarovana tombontsoa politikan’ny mpitondra ». Noho izany, vao mainka hery lehibe ho an’ny La Gazette de la Grande Ile ny fanenjehana azy toa izao ka tsy hilefitra na hangina eo anoloan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety ny toe-draharaha ankapobeny ankehitriny. Hijoro hatrany amin’ny maha-tsindrilentam-pahefana (contre pouvoir) azy ny La Gazette de la Grande Ile, ary tsy hilefitra na hangina mihitsy satria anjara-birikinay ho amin’ny fifampifehezana amin’ny rehetra, na mpitondra na mpandraharaha manampatra fahefana eo amin’ny fiainam-pirenena ankapobeny izany.

 

Lahatsoratra nivoaka ny 27 martsa 2023

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top