Halatra herin’aratra tamin’ny 2018 ve sa faktiora tsy voaloa mitotaly 400 tapitrisa ariary no antony nihampangana ny Filoha Tale Jeneralin’ny gazety an-tsoratra “La Gazette de la Grande Ile” na “LGDI”, Rasoamaharo Lola? Niatrika ny fotoam-pitsarana malalaka tamin’ny zoma 19 may 2023 tetsy Anosy izy. Ny valin-teny re tamin’ireo solontena roalahy avy amin’ny orinasa Jirama izay mpitory, dia nisongadina ny fisalasalana, mihaotra koa ireo roalahy solontena, ary tsy hita fototra mazava ny resaka nivoitra tamin’izany. Hita nananosarotra azy ireo ny fanontaniana napetraky ny mpisolovavan-dRasoamaharo Lola rehefa nanontaniana hoe “ inona marina ny antony ny fitoriana an-dRasomaharo Lola tamin’io fotoam-pitsarana ny zoma teo, halatra herin’aratra ve sa faktiora tsy voaloa?” Mahagaga, hoy ny mpisolovava ny voampanga, fa tamin’ny 2018 ny halatra herin’aratra nitoriana azy, kanefa isika izao aty amin’ny taona 2023 miresaka faktiora tsy voaloa indray. Teo ankilany , ny fiheveran’ny mpisolavava ny mpitory an-dRasomaharo Lola dia toy ny olona nahavanon-keloka tsy azo ivalozana ka nitenenany hoe “…. tsy hita mihitsy Rasoamaharo Lola nandritra ny taona maro fa izao izy vao tratra….”. Ny marina dia tsy raharahan-keloka fa ady madio ny resaka tsy fandoavana ny faktioran’ny Jirama. Ny vontoatin’ny resaka teo anoloan’ny fitsarana ady heloka izany dia ilay hoe « nangalatra herin’aratra ». Momba io, voalohany indribndra, navoitran’ny mpisolovava mpiaro an-dRasoamaharo Lola fa « nanaiky ny Jirama fa tamin’ny 2018 no nitrangan’ny raharaha ». Noho izany, efa maty paika andro izany, hoy ity mpisolovava ity, satria telo taona ihany ny fahafahana manenjika olona amin’ny heloka tsotra (prescription d’action publique en matière de delit). Etsy ankilany, raha sanatriavin’ny vava ka tsy homen’ny fitsarana lanja ny fepetra takian’ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka izay mamaritra fa telo taona ihany no azo anenjehana ny heloka tsotra, dia ny vontoatin-draharaha indray koa dia tsy misy fahamarinam-pototra satria na ny Jirama aza dia nanaiky fa halatra herin’aratra tany amin’ny orin’ asa fanontana printy ny gazety, izay an’ny vondrom-barotra (Société) fa tsy tany an-tranon-dRasoamaharo Lola. Ny dikan’izany, hoy ny mpisolovava mpiaro an-dRasoamaharo Lola dia tsy tompon’andraikitra amin’ny heloka mety nitranga tao amin’ny orin’asa ny mpiara- miombona antoka (associeé) ao amin’ilay orin’asa fa nisy mpitantana tao. sasanangy samihafa Ingahy Rasoamaharo Lola izay arovanay sy ny vondrom-barotra manonta printy ny La Gazette, hoy hatrany ny mpiaro mpisolovava azy, na asan’ny mpiara-miombona antoka ao aza ny olona arovanay. Amin’ny raharahan-keloka (affaire pénale), hoy ihany ny mpiaro an-dRasoamaharo Lola, dia tsy maintsy entitra ny fanenjehana olona iray fa samihafa ny andraikitry ny olona amin’ny maha-olombelona azy (personne physique) sy ny olona ara-taratasy (personne morale) an’ilay vondrom-barotra. Ireo tompon’andraikitra nitantana ny orin’asa tamin’izany fotoana moa dia efa nodimandry avokoa, ka olona any am-pasana angamba izany no tokony fongarina any hoentina eo anoloan’ny fitsarana. Notsindrian’ny mpisolovava mpiaro an-dRasoamaharo Lola ny hoe “ ….satria efa maty ireo mpitantana tamin’izany dia mangataka ny fitsarana ny hampitsaharana ny fitoriana an-dRasoamaharo Lola izahay…” Nisy fitanana an-tsoratry ny vadin-tany nanao fitsirihana teny an-toerana niaraka tamin’ny teknisiana avy amin’ny Jirama, izay nanamarina fa « milina mpamokatra herin’aratra na groupe electrogène no nampihodina ny milina fanontana printin’ny LGDI fa tsy herin’aratra nangalarina tamin’ny Jirama.
Ny mpamaky, ny mpanao politika ary ireo vondron’olona tsy maneho hevitra mivantana na ny eto an-toerana na ny any ivelany, dia manara-maso akaiky ity raharaha Rasoamaharo Lola ity. Ary manamarika fa misy ny tetika ambadika hoentina handrendrehana ity tompon’ny orinasa LGDI ity na ny “La Gazette de La Grande Ile”, satria gazety mahasahy mamoaka ny zava-misy marina, na zovy manao ny sy rariny eto amin’ny firenena.
Orinasa Jirama : Manao fanenjehana tsy hita fototra mazava
La gazette de la grande île
22/05/2023•3 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313580
Your IP Address: 18.226.104.30
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »