Lasitra iray anaty lalivay na ny filoha Rajoelina eo amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena na Ingahy Naina Andriantsitohaina izay voafidy ben’ny tanànan’Antananarivo nanomboka ny taona 2019. Milokaloka mandrak’androany fa hitondra fanovana eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ireo velirano. Maka tahaka an-dRajoelina koa mantsy Ingahy Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina nanoritra ny hoe veliranon’Iarivo, izay nanaovany fanamby amin’ny drafi-panatsarana hananan’ny tanànan’Antananarivo endrika vaovao sy madio. Nambarany fa “hatao kindriandriana Antananarivo…”. Mandrak’ankehitriny, mby aiza ireo teny nampanantenaina ny vahoakan’Antananarivo na ireo nifidy na ny tsy nifidy? Nandiso fanantenana ny kabary ambony vavahady hoy ny vahoakan’Antananarivo satria tsy voaraoka ara-potoana ny fakon’ireo mpanjifa mandoa hetra, maloto ny Renivohitr’i Madagasikara. Toa mifanilika andraikitra ny kaominina sy ny orinasa mpiara-miombon’antoka aminy. Eny Ambodin’Isotry dia mivangongo izay tsy izy ny fako, ka fiara iray sisa no afaka mizotra eny amin’ny arabe raha fiara roa teo aloha. Raha topazo-maso koa ohatra ny lalana avy eny Antaninandro miolaka midina ho eny Behoririka. Misy daba-pako lehibe iray eo, mivangongo ny fako anatiny sy ivelany. Mifanila eo ny fitaterana zotra E, izay mampitohy an’Antananarivo sy Ambohimangakely. Filaharan’ireo mpandeha miandry io zotra io efa mahatratra metatra maro. Miara-milahatra miaraka eo amin’ny daba-pako lehibe ny mpandeha miandry ny fiara mpitatitra. Jamba ve ny maso na ny fitaovam-pisefoana amin’ireo mpandeha amin’io zotra E io, sa efa donton’ny fampahantrana lalina ny saina aman’eritreritra? Sanatriavina ve efa nozarin’Ingahy ben’ny tanàna miara-miaina amin’ny fako ny vahoaka mifamezivezy eto an-dRenivohitr’Antananarivo? Angamba tsy lalan’Ingahy Naina Andriantsitohaina na ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireny lalana ireny.
Hodiany tsy hita ny fitohanana ateraky ny fijanonan’ireo fiara mpitatitra zotra E, miampy ny fako mihavosa. Tsy azo adinoina koa ny faharatsian’ny lalan-dratsy eto Antananarivo sy ny manodidina, mampitohana fatratra ny mpampiasa lalana. Iandrasana fampielezan-kevitra mialohan’ny fifidianana indray ve hoy ny vahoaka an’Antananarivo? Hatreto, dia mangorona hetram-bahoaka no tena manavanana an’Ingahy Ben’ny tanàna sy ny firongony, kanefa tsy hita akory ny tamberin’andraikitra amin’io fitakiana hetra io. Omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra raha ny fahadiovan’ny Renivohitr’i Madagasiakra , dia Antananarivo izany , ary indrindra ny filaminana eto Antananarivo. Tsy mifanohitra amin’izany, ny olana mitranga eto amin’ny firenena. Manjaka ary miaina anaty horohoro ny daholobe noho ny tsy fahandriampahalena eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra. Ny vidim-piainana manonga hatrany, misakafo tapa-kibo vokatr’izany. Anaty haizina isan’andro no iainan’ny vahoaka mpanjifa. Mby aiza ny tenin-dRajoelina raha nifanatrika tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana mialohan’ny fifidianana filohampirenena ny taona 2018, dia ny hanafoanana io delestazy lavareny io. Iainan’ny vahoakan’Antananarivo sy ny Faritra ny haizina vokatry ny delestazy lavareny sy ny fivangogon’ny fako manamaimbo an’Antananarivo mandava-taona. Mira-zotra ary mifampijery arina an-tava momba ny zava-misy eto an-Antananarivo Renivohitra Ingahy Rajoelina sy Ingahy Naina Andriantsitohaina. Samy mampikolay ny vahoaka mpanjifa ny roa tonta sy ireo mpiara-dia anaty fitondrana. Aoka ny anio no hitsara ny ampitso.