Fiampangana tsy mitombina ny nitorian’i Brigitte Razaka an’i Lola Rasoamaharo teny amin’ny fitsarana Anosy, izay nilazana azy ho nitaky vola an-keriny (raquettage ). Tratra aoriany ny fizotran’ny datim-pitsarana an’i Lola Rasoamaharo raha ny talata 6 jona 2023 teo vao niakatra fitsarana io raharaha io teny amin’ny fitsarana Anosy nefa nosokajiana ho raharahan-keloka maika be. Nomarihan’ny mpiaro mpisolovava an-dRasoamaharo Lola izany tamin’io fotoam-pitsarana io satria nihazakazahana izay tsy izy tamin’ny 1 ora maraina ny nisamborana azy nefa aty amin’ny faha-6 jona vao notsaraina.
Momba ny vontoatin-draharaha indray dia nivantana ny mpiaro mpisolovava an-dRasoamaharo Lola satria fifanarahana teo amin’ny olona arovany sy I Brigitte Razaka no nifotoran’ny resaka, ka rehefa nivadika tamin’ny nifanarahan’ny roa tonta I Brigitte R. dia Rasoamaharo Lola indray no nambarany fa nitaky vola tamin-keriny azy. Izany hoe “sady mivadi-pitokisana no mivadi-pifanarahana i Brigitte Razaka raha ny maha mpinamana sy ny maha mpifanila trano azy ireo eny Ivandry no ifotorana; indrindra fa teo amin’ny resaka nifanaovana hatrany amboalohany.
Tompon’ny tany nanorenan’ny mpitory (Brigitte) ny trano eny Ivandry i Lola Rasoamaharo, izay olona notoriany. Nanaiky ny hanorina trano ho an-dRasoamaharo Lola eo amin’ampahan’io tany io I Brigitte raha nilaza fa hanao trano ho azy eo amin’ny ilany koa i Brigitte Razaka. Koa satria tsy tanteraka ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta satria ny an’I Brigitte dia vitany tsara fa ny an’I Lola Rasoamaharo, trano kely no nataon’I Brigitte; dia nilaza tamin’I Brigitte I Lola mba hanome azy ny vola elanelan’ny sandan’ilay trano kely namboarin’I Brigitte raha mitaha amin’ny sandan’ny vola nifanarahan’ny roa tonta ho karazan’ny vidin’ny ampahan-tanin-dRasoamaharo novidian’I Brigitte. 500 tapitrisa ariary, hoy Rasoamaharo no nambarako fa elanelam-bidin’ny tany sy ny sandan’ny trano naorin’I Brigitte ho azy; raha nosandain’I Brigitte 25.000 euros izany. Mbola niangavy an’I Fetra mpanelanelana ny roa tonta anefa I Brigitte ny handresena lahatra an’I Lola mba hanenany an’io 500 tapitrisa ariary io. Izay no navadik’i Brigitte fa fitakiana vola an-keriny na “raquettage”.
Ny olona arovanay hoy hatrany ny mpiaro mpisolovava an’i Lola Rasoamaharo no tratry ny fanalam-baraka imasom-bahoaka satria raha vao voasambotra I Lola Rasoamahado dia nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety I Brigitte nilaza ny vontoatin’ny fitoriany (???). Hevitra torotoroka fotsiny tsy ahitana porofo marim-pototra ny niampangana an-dRasoamaharo. Hita sy voamarina tao anaty whatsapp nifanaovan’i Brigitte Razaka sy Fetrarison Rajaona avokoa ny resaka mialohan’ny fitoriana araka ny tombana tsy mitombina, hoy ny mpisolovava an’i Fetrarison. Nohamafisin’ny mpisolovava an’i Lola Rasoamaharo sy ny mpiaro an’I Fetrarison Rajaona koa izany fa tsy nisy hafatra fandrahonana na fanerena an-kolaka na mivantana handoa vola amin’I Brigitte mihitsy voasoratra tao.
Ny Tompon-tany Lola Rasoamaharo dia manana ny taratasy ara-dalàna ny maha tompon’ny tany ,izay nanorenan-dRazaka Brigitte trano ho azy sy i Lola Rasoamaharo. Afaka mitory izy satria nivadika tamin’ny fifampitokisana nambarany. Mitafy henatra imasom-bahoaka koa raha i Lola Rasoamaharo noho ny endrikendrika tsy misy fototra nataon’I Brigitte Razaka taminy. Ny fisamborana an-keriny, izay tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, satria dia hafatra tao anaty finday no nanatanterahana ny didy fisamborana azy . Teo koa ny tsy fisian’ny fanadihadiana teny amin’ny tobin’ny zandarimaria tetsy Ankadilalana rehefa nosamborina izy ny alin’ny zoma nifoha ny sabotsy 25 martsa 2023. Ny harivan’io sabotsy io ihany dia niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana teny Anosy ary notanana amponja avy hatrany. Tratry ny tsy fahasalamana i Lola Rasoamaharo ankehitriny vokatry ny aretina mitaiza.