Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Rasoamaharo Lola : Tsy namelan’i Brigitte raha tsy migadra 5 taona

La gazette de la grande île
13/06/20232 minute read

Nivoaka omaly talata ny didin’ny fitsarana momba ny raharaha Lola Rasoamaharo. Nisy roa karazana moa ny fitoriana azy. Ny voalohany dia ny nitoriana’ny orinasa Jirama azy ho nangalatra herin’aratra tamin’ny 2018. Araka ny fiarovan’ny mpisolovava an’i Lola Rasoamaharo, ary notaterina  teto amin’ny “Journal de l’Ile Rouge” dia nanambara ny fitsarana fa “maty paika andro ny fitorian’ny Jirama”. Efa nihoatran’ny 3 taona ny fitoriana taty aoriana.

Ny raharaha faharoa izay nisamborana an-dRasoamaharo Lola ny zoma 24 martsa hifoha marainan’ ny 25 martsa 2023 , dia ny nitorian’i Brigitte Razaka an’i Lola Rasoamaharo ho nanery hanome vola na fitakiam-bola an-keriny (raquettage) teny amin’ny Fampanoavana. Ny didy navokan’ny fitsarana omaly talata dia nanameloka an’i Lola Rasoamaharo higadra 5 taona am-ponja, sazy mihatra, ka handoa lamandy 10 tapitrisa ariary ary onitra 20 tapitrisa ariary amin’ny Jirama. Tsy nilefitra hatramin’ny farany ity mpitory ity fa dia ny fitazonana an-dRasoamaharo Lola eny am-ponja maharitra no hany tanjon-dRazaka Brigitte ; izay ny tenany ihany no nanala baraka an-dRasoamaharo Lola tamin’ny alalan’ny soketa ka nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny hotely Radisson Ambodivona.

Nampihivingivin-doha ny maro nanatrika ny fotoam-pitsarana omaly izany satria samy nanaraka ny maro ary resy lahatra fa tsy nanana andraikitra tamin’izay halatra herin’aratry ny orinasa Jirama i Lola Rasoamaharo nefa dia io ny sazy nambara  hoefainy.

Na ahoana na inona anefa no hambara dia tsy vitsy ny olona no  nanamarika fa “io ilay didim-pitsarana politika …”. Noho i Lola Rasoamaharo  mahery fiteny ary tsy mitsitsy  filaza amin’ny famotsipotsirana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety; dia io natao izay tsy hahatafavoaka  velona an-dRasoamaharo Lola io mandritra ny 5  taona.

Ny dikan’izany dia mazava be .Tsy tafavoaka ny fonja i Lola Rasoamaharo raha tsy mifarana ny fotoam-piasan-dRajoelina vaovao faharoa hanomboka amin’io 2024 io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top