Ho an’ny Malagasy Tena tia ny Tanindrazana Malala sady Masina ity.
Io no porofo mitohoka amin’ny Tenda fa Frantsay ingahy Andry Rajoelina. Natao “Naturalisation” izy mianakavy ny 19 Novembre 2014 ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel Frantsay ny 21 Novembre 2014.
Raha ny lalana eto Madagasikara dia tsy tokony ho azo ho fidiana ho filohan’ny Malagasy mihitsy izany Ingahy Andry Rajoelina ary tsy tokony ho Filohan’ity Tanindrazana Malagasy ity. Ambon’izany noho ny maha FRANTSAY azy dia nanao fianianana tamin’ny nahazahoany ny taratasy izany ka nianiana hiaro ny tombotsoan’ny Frantsay amin’ny heriny rehetra izany. Izany ny fianianana tsy maintsy nataony teo anantrehan’ny mpahay lalana Frantsay.
Mijoro ry Malagasy mpiray Tanindrazana. Aza mety badoana amin’ny lainga tsara lahatra. Ampy izay ny fampiesonana nandritra ny taona maro.
Miantso ireo rehetra mpampiatra ny Lalana velona eto amin’ity Tanindrazana iombonana ity mba hampiatra marina ny lalana mifanandrify amin’izao zava-doza izao.
Masina ny Tanindrazana ary tsy amidy!