Diso fa fanantenana tanteraka ny mponina any amin’ny distrikan’i Fandriana amin’ny fampanantenana poakaty nataon’i Andry Nirina Rajoelina izay filoham-pirenena sy ny mpomba azy amin’ny fanamboarana ny lalana Ankelikapona- Fandriana izay mirefy 43,km. Tamin’ny fitokanana ny kianja manaram-penitra tao Ambositra sy ny tobin’ny fiarakodia volana vitsy lasa izay dia napetraka koa ny vatofehizoro ny lalana io. Nampanaovina fihetsiketsehana tamin’izany ireo fiarabe mpamboatra lalana izay nomena ny faritra ao Amoron’i Mania. Tsy hay tenenina intsony ny fampanantenana tamin’izany. Nolazainy fa ho vita haingana ity lalàna ity . Alohan’ny fetim-pirenena 2023 ity. Tsy ampy herinandro taorian’izay dia nijanona ny asa fanamboarana rehetra ary noesorina ihany koa ireo bilidaozera mpanamboatra lalana ireo. Amin’izao fotoana izao dia mijanona tanteraka izany famboaran-dalana izany. Kivy tanteraka ny vahoaka any amin’ity distrika ity fa mpandainga ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ny mpomba azy hoy ny resaka ombieny ombieny.
Tsy ny ao Fandriana ihany no nilaozan’ny orinasa mpamboatra lalana fa ny mandeha any Ambatofinandrahana koa. Niala tanteraka amin ‘ny fanamboarana ny lalana Ivato Centre hatrany Ambatofinandrahana ny orinasa « la précision ». Lalàna 500 m miala avy ao Ivato ihany no vitany dia niala izy ireo raha toa ka 69 km no antoka tokony hataony. Ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina sy Razanamahasoa Christine no tsy mahafaly ny olona amin’izao raharaha izao satria tena nandainga izy ireo tamin’ny vahoaka. Miteny ny mponina amin’ny toerana ireo fa amin’ny fifidianana mifankahita.
Lalana Fandriana : Nanaovan’i Rajoelina kobaka am-bava
La gazette de la grande île
20/06/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313581
Your IP Address: 18.218.73.233
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »