Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Raharahan’ny moana sy marenina sisa ny eo Madagasikara

La gazette de la grande île
20/06/202359 second read

Tsy mihaino izay zavatra lazain’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina intsony ny vahoaka. Na inona na inona lazain’izy ireo dia tsy raharahan’ny olona intsony izay ataony na dia hita aza fa zavatra tsara.
Ankilany koa dia tsy miraharaha ny fitarainan’ny vahoaka malagasy amin’ny olana maro isan-karazany miseho amin’ny fiainan’ny firenena ny mpitondra tarihin’i Andry Nirina Rajoelina. Ny lalàna no ataon’izy ireo ampinga entina manohitra ny fitarainana ny vahoaka izany.
Tsy mifampiheno intsony ny mpitondra sy ny entina ankehitriny. Mananontanona ny fifandonana ara-tsosialy noho izany. Mampatahotra ny zava-misy ankehitriny satria ny toa izao no zavatra nitranga ara-tsosialy sy politika ny taona 1970, 1991, 2001-2002, ary ny taona 2008-2009,izay nitarika krizy sosialy sy politika teto amin’ny firenena.
Manampy ity raharaha ity ny fidangan’ny vidim-piainana izay miakatra izay tsy izy. Ny vary dia efa 700 ariary ny kapoaka raha toa ka 500 ariary izany ny faran’ny taona 2022. Ny atody dia tafakatra 700 ariary ny iray raha toa 500 ariary izany ny volana may 2023 lasa teo. Tsy tenenina intsony ny vidin’ny anana izay tsy misy latsakin’ny 500 ariary ny tokony ankehitriny raha toa ka 200 ariary izany ny volana may lasa teo. Atahorana ny hisian’ny fifandonana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka raha toa ka mitohy izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top