Mihodina toy ny tandrimo ny fiovan’ny lamina ara-politika mitranga eto amin’ny firenena. Saro-pantarina ny lalan-jotra izoran’ny kodiaran-tsarety eo amin’ny lafiny tontolo politika eto Madagasikara. Mety hanitsaka vatokely, vatobe na vy maranitra , hamakivaky ny afo mandoro koa. ny kodiaran-tsarety roa mikorisa ireo. Aza adinoina fa mifono vy ireo kodiaran-droa ireo. Mety ho tapaka tsy nahy ny hazo mandrafitra azy boribory io koa ka hiparitaka sy ho potika tsy ho hita intsony ny maha kodiaran-tsarety azy. Tsy menatra akory izy tenany talohan’ny nanakatonany ny trano nampiasan’ny La Gazette de la Grande Ile ny 30 martsa 2023 , izay nilaza hoe “ mba hahitanareo fa manana fahatsaram-po aho, dia mitadiava local hiasanareo fa ny tenako Mamy Ravatomanga no handoa ny hofany izany…”. Tamin’izany koa ny nitenenany hoy Lola Rasoamaharo hoe sao hisy fiatraikany amin’ny orinasa amin’ny resaka hetra ny fijanonan’ny La Gazette de la Grande Ile fa aleo ianareo miala”. Mbola Ingahy Ravatomanga Mamy ihany no nanambara tetsy sy teroa fa izy no mandetika ary mitana an’i Lola Rasoamaharo amin’ity raharaham-pitsarana ity. Ny anaran-dRajoelina no nataony fitaovam-piadiana nandetehana an’I Lola Rasoamaharo izany. Sady sakaiza manody no mpandefona ivoho ingahy Mamy Ravatomanga raha adika tsotra ny fifampitokisana hatrizay. Mbola eny am-ponja i Lola Rasoamaharo ary mizaka ny heloka tsy mitombina izay anenjahana azy.
Raha ny fiaimpiainan-dRavatomanga Mamy dia tsy tako-nafenina eto amin’ny firenena hatrany ivelany. Manana ny tanjany sy ny heriny izy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ankapobeny. Anisan’ny mampiaky ny maro ny fanaovany tsindry eto amin’ny firenena. Tsipahiny avokoa ny olona manohitohina ny lalan-jotra tian-ko daviny. Misedra izany ny filohampirenena Rajoelina, sy ireo manodidina azy hoy ny mpanao politika Ohatra raisina, dia Ny sehatry ny lavanilina dia mampikaika ny mpamboly lavanilina eny ifotony. Malaza ratsy ny anaran’ity mpandraharaha ity , ary tsy miala am-bavan’ny maro ny voka-dratsy ateraky ny tsindrihazolena ataony.
Toy ny biby fampitahorana eto amin’ny firenena ity mpandraharaha mpanefoefo ity, ka miforitra eo anatrehany avokoa ny maro sendra azy. Na ny mpandinika fiaraha-monina , na ny mpanao politika dia miandry ny kodiaran-tsarety handalo io kihon-dalana izay tsy azo ihodivirana io eo anatrehan’ireo tsindry izay tsy mahasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Fantatry ny maro fa olon-dRavatomanga Mamy ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny fitsarana….Raha izany, tsy efa voavidiny ve i Madagasikara sy ny olona voagejany?
Tenin-tsary : Ny fianakaviana akaiky azy dia niteny hoe “atsaharo ny fisamborana , ny famaliana faty ara-politika fa hilentika lalina ity firenena ity….”