Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

26 Jona 2023 : Fety farany hiarahan’ny Rajoelina amin’ny Malagasy

La gazette de la grande île
26/06/202349 second read

Afaka dimy volana dia hatao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena vaovao eto Madagasikara raha toa ka ho a tanteraka izany. Ny faha 9 Septambra 2023 izao no tsy maintsy mametraka fialana amin’ny maha filoham-pirenena azy Rajoelina Andry Nirina raha toa ka hilatsaka amin’izany. Iny fetim-pirenena iny izany no hiarahany amin’ny vahoaka farany. Ankilany dia mandeha dia mandeha ny resaka momba ny tetezamita izay hifampiresahana eto amin’ny firenena satria mahatsapa ny malagasy fa hiafara amin’ny krizy politika sy sosialy indray ity fifidianana ity raha tanterahana. Ny fankalazana ny fetim-pirenena 2023 iny dia nahatsapa koa fa tsy faly amin’ny fitondrana ankehitriny ny ankamaroan’ny ny vahoaka, na dia nanao izay farany mafy tamin’ny fanaovana fampisehoana an-dapihazo sy afomanga ary matso nataon’ny miaramila aza ny fanjakana. Nangatsiaka ny vahoaka satria efa reraka n’ny fahantrana vokatrin’ny tsy fahaizana mitondra firenena ataon’ ny mpitondra. Tsy maintsy hisy fiatraikany any amin’ny fifidianana izany hoan’ny Rajoelina sy ny fitondrana entiny.

Maro ny finoan’ny malagasy fa iny fetim-pirenena iny no fety farany a hiarahan’ny Rajoelina amin’ny vahoaka malagasy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top