Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny politika sy ny vahoaka malagasy ny sarampisoratana anarana 200 millions ariary izay notapahan’ny filankevitrin’ny governemanta Ntsay Christian ny alarobia faha 12 Jolay 2023 teo. Fanakana ny kandidà hafa ankoatran’ny filoham-pirenena ankehitriny Andry Nirina Rajoelina hilatsaka hofidiana no dikan’izany. Maro dia maro ny resaka mandeha ka isan’izany ny filazana fa fanamparam-pahefana no ataon’i Rajoelina sy ny fitondrana izao. Ny taona 2018 dia 50 millions ariary no saran’ ny fisoratana anarana tamin’ny filatsahana izay ho filoham-pirenena malagasy. Nitombo avo efatra heny izany ny taona 2023, nefa dia nidina 200% ny fari-piainan’ny malagasy hatramin’ny taona 2019 nitondran’i Rajoelina ny firenena izay. Tena mahantra fadiranovana ny 90% ny malagasy ankehitriny.
Efa manomboka ny kilalao politika maloto ataon’ny mpitondra amin’iny raharaha sarampisoratana anarana ho fidiana filoham-pirenena iny. Tsy mahagaga raha be ny fanehoan-kevitra ataon’ny antoko politika sy fikambanana maro isan-karazany amin’ny filazana fa tokony hisy fifampiresahana aloha vao miditra amin’ny fifidianana. Efa ho iray taona izay no nitaky izany ny herivelona maro eto amin’ny firenena nefa dia tsy no raharahan’ny mpitondra izany. Tsy matoky ny CENI sy ny HCC ny vahoaka fa mampanahy mafy ny fitongilanany amin’ny fitondrana ankehitriny. Mampanahy noho izany ny hisian’ny korontana sy ny halatra isan-karazany. Ny vahoaka sy ny fitondrana efa tsy mifampihaino intsony. Ny fandrangarangana lalàna sisa no ataon’ny fanjakana mba ho entiny ho vaha olana hifehezana vahoaka sy handresena lahatra azy ireo. Ankilany indray dia ny tsy fahitan’ny fanjakana vahaolana amin’ny fahantrana no asesika n’ny malagasy.
Mihamafy ny fitsokan’ny rivotra politika amin’izao fotoana izao ka atahorana ny hisian’ny krizy. Lasa resakin’ny moana sy marenina no misy eto Madagasikara izao.
Fifidianana filoham-pirenena : 200 millions ariary natao hanakanana ny kandidà
La gazette de la grande île
13/07/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313141
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »