Tena tsy fanomezana hasina ny ray aman-dreny eto amin’ny firenena ireny nanafarana ireny mpanjaka vitsy sy lonaka ireny. Tsy mavo a solo ny mpanjaka izay Misa 2000 mahery eran’ ny faritra ireny
Raha tena malagasy marina Rajoelina dia tsy tokony hatao toa ireny ny mpanjaka sy ireo ray aman-dreny ara-drazana ireo . Natao « figurine » na haingon’ny fisehosehoana fotsiny. Raha tena tia tanindrazana Rajoelina dia rafitra maharitra ao anatin’ny fitondrana no ametrahana azy ireny hiaraka hidinika aminy ny raharaham-pirenena . Hararaotina amin’ny tsy fananany vola izy ireny. Maro ny mpandala ny fomba sy ny fahendrana ary ny soatoavina malagasy no tsy faly tamin’ny fahitana ny nanaovana azy ireo tamin’ny alahady iny. Ho hararaotina amin’ny fifidianana indray dia ampiakarina aty Antananarivo. Dia mody dokadokafana sy Ahindraindray indray. Aza hadino fa na tsy miteny aza izy ireny dia manana hasina manokana ka aza mba ipetrahan’ny alahelony ihany. Fantatra tsy mahazo manohitra fanjakana izy ireny ka aza hararaotina. Manana ny fanoitra arahiny koa izy ireny. Mahalala ny mety sy ny tsy mety na dia tsy manambara izany mivantana aza. Manajà ny ray aman-dreny raha te hahazo fahasoavana sy ho ela velona.
Mpanjaka : Ataon ‘i Rajoelina fitaovana politika
La gazette de la grande île
17/07/2023•55 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313167
Your IP Address: 3.133.157.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »