Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andry Rajoelina : Mihevitra ny malagasy ho vendrana

La gazette de la grande île
17/07/202359 second read

Araka ny efa nambara teto tamin’ny herinandro lasa iny dia nilaza izahay fa hihaino angano sy arira indray amin’ny alahady faha 16 Jolay 2023.
Tena resak’olona efa mirediredy no hita tao. Tsy te hiala amin’ny fitondrana ary miteniteny foana koa. Manararaotra ny fahefana ananany. Mbola te hitazona ny seza ka mieritreritra ny hanao kobaka am-bava sy hafetsifetsena indray.
Tena politika maloto izany no nataony ho fanapotehana ny orinasa mpanao lalana eto. Madagasikara. Nahoana no izao vao milaza fa handoa ny volan’ireo mikojakoja sy mpanao lalàna ireny. Efa potika ny orinasa vao izay no manery ny minisitry ny vola handoa izany ao anatin’ny telo andro . Nahoana no nampijaliana ireo olona ireo. Telo taona mahery izay no tsy naloa ny volan’ny orinasa ireo nefa ny asa efa vita. Misy ny maty, misy ny rava, misy nigadra ireo lehiben’ny orinasa noho ny trosa. Amin ‘izao akaikin’ny fifidianana izao vao haloa ny volan’ izy ireo ary tsy ny rehetra koa aza araka ny fanazavana ireny.
Tena fanapotehana ny orinasa malagasy tanteraka izany na ino fomba itenenana azy. Faly mampijaly vahoaka fotsiny. Soa ihany fa nisy ny valan-dresaka iny hahafantarana ny fomba ratsy nentin’i fitondran-dRajoelina io.
Isan’ny zavatra iray niteraka resabe iny raharaha iny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top