Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Asan-jiolahy : Tsy voafehin’ny fanjakana intsony

La gazette de la grande île
18/07/20230 second read

Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy manerana an’i Madagasikara. Fanafihana mitam-piadiana no zava-misy ankehitriny sy iainan’ny vahoaka malagasy. Hatramin’ny zandary avy no tafihin’ny jiolahy ao an-tranony toy ny nitranga tao Ambatomirahavavy izay miala 16 km monja an’Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Ny any Toamasina dia isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana. Hatramin’ny môtô avy no tafihina amin’ny andro atoandro eto Antananarivo. Any amin’ny faritra maro manerana ny nosy dia toa efa lasa fiainana andavanandro ny fahenoana fanafihana mitam-piadiana. Tena resy ny mpitandro ny filaminana eo anatrehan’izany. Tsy misy fiatraikany amin’ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara ny fampidirana polisy sy zandary maherin’ny 2000 isan-taona. Ny volam-bahoaka fotsiny no lany. Matetika indray aza izy ireo no voarohirohy amin’ny asan-jiolahy sy asan-dahalo.
Mahakasika ny fanaovana takalon’aina na kidnapping dia tsy misy aloha ny vokatra azo mivaingana amin’ny asan’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny vahoaka. Tena tsy mahita vokatra hatramin’izao.
Raha mitohy izao tsy fandriampahalemana eto Madagasikara izao dia tsy maintsy hitovy amin’ny firenena any Haiti i Madagasikara, ny jiolahy no manjaka sy mibaiko ny fanjakana ka ny basy sy ny olon-dratsy no mitondra .
Toa ny tany tsy misy fanjakana intsony eto Madagasikara. Lany andro amin’ny adilahy politika fotsiny ny fitondrany Rajoelina.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top