Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Bacc 2023 : Nivoaka mialoha ny laza adina

La gazette de la grande île
19/07/20232 minute read

Nanomboka tamin’ny alatsinainy faha 17 Jolay 2023, izay nanombohan’ny fanadihadiana bakalorea dia nisy ny « fuite de sujet » na ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ity fanadinana ity.

Ny alatsinainy dia ny taranja filozofia ny sokajy A. Ny talata dia ny taranja matematika ny sokajy S, ary ny alarobia dia ny taranja tantara sy jeografia no niparitaka hoan’ny sokajy A koa. Saika manerana an’i Madagasikara no niparitahan’izany laza adina izany.

Nikorontana tanteraka ny fanadinana ity tratran ‘izany. Nihemotra ny ora maro ny fanombohan’ny laza adina. Voatery nirava tamin’ny 9 ora alina ny mpiadina tao amin’ny sokajy A, raha toa ka tamin’ny enina ora hariva no ho tapitra izany.

Tany Toliara dia nisy ankizy efatra no torana. Tany Ambatondrazaka dia nisy korontana fa tsy faly ny mpiadina.

Voakotaba tanteraka ny mpiadina. Ny Ray aman-dreny ny mpianatra koa marobe no tsy faly nohon’ny raharaha ity. Nandiso tanteraka ny fitondrana ankehitriny izy ireo satria dia tsy firaharahiana ny zanabahoaka izao. Fanapotehina ny malagasy izao hoy ny feo tetsy sy teroa.

Mahakasika ny laza adina dia natao soratononina ny fanomezana izany ireo mpiadina. Tena zavatra tsy nisy teto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena izay tao anatin’ny 63 taona. Inona indray no hitranga ny ampitso alakamisy? Izao zavatra mitranga izao dia marikinin’ny tsy fetezan’ny fitondrana io intsony.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top