Miharendrika ny firenena malagasy, dia i Madagasikara izay ahitana malagasy 28 tapitrisa mahery. Hatreto dia resy lahatra ireo lohandohan’ny mpanao politika maro eto amin’ny firenena , ka mivonona handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ny 9 novambra 2023. Araka nambaran’i James Rasoamaka filohan’ny Mamiko ny Taniko Madagasikara (MTM) omaly tetsy Avaradrano. Araka izany dia nanamafy izy fa mbola rafitry ny mpanjanan-tany no nitantanana ny tany sy ny firenena izay nolovaina tamin’ny frantsay. Ary olona voavolavolan’ny mpanjanaka koa no nisahana ny fitantanan-draharaha tamin’izany, mandrak’ankehitriny. Tsy nohadinoiny koa ny nanamarika hoe « misy ny tandapa namadika ». Very ny soatoavina malagasy eto amin’ity nosy ity hoy hatrany izy. Manentana ny malagasy mpiray tanindrazana izy handray an-tanana amin’ny fanarenana ny firenena mba ho rehareha eo anatrehan’izao tontolo izao. Potika ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra ka tsy hamela ny firenena mbola hatao tantely afa-drakotra indray, indrindra ny fahaverezan’ny soatoavina Malagasy, dia ny hamerina ny hasin’ny fiaindrianam-pirenena amin’ny laoniny i James Rasoamaka (MTM) raha ny filazany .
Mivonona ny hanarina ny firenena toa azy koa ireo filohan’ny antoko politika izay efa naneho hevitra ny hiroso amin’izay fifidianana filohampirenena, dia Hajo Andrianainarivelo (MMM), Ravalomanana Marc (TIM), Rajaonarimampianina Hery (HVM), Paraina Auguste (ATT), Tahina Razafinjoelina (FTT), Pasitora André Mailhol (GFFM) ary re koa araka ny tsilian-tsofina ny ho filatsahan-dRavatomanga Mamy sy Andry Rajoelina ihany koa. Teboka iombonan’ireo filohan’antoko ireo dia ny hafatra mafonja izay miantefa amin’ny CENI na ny Vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, dia ny hahalavorary ny fifidianana hotanterahana eto amin’ny firenena an-tsakany sy an-davany , ary hanjaka hatrany ny mangaraharaha. Hetaheta ihany koa ny hitondra fanovana mahery vaika izay hivoahan’i Madagasikara amin’izao kizo fara mihatra izao. Enga anie ka tsy ho lasa kobaka am-bava avokoa izany sao hampitombo ny otriky ny fampahantrana apetraky ny mpanjanaka araka ny voalaza etsy ambony.
Fifidianana filohampirenena 2023 : Vonona ny lohandohan’ny mpanao politika
La gazette de la grande île
10/08/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313178
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »