Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fandriampahalemana : Tandinonin-doza ny mpanao gazety

La gazette de la grande île
10/08/20232 minute read

Miaina anaty tebiteby sy horohoro andro aman’alina vokatry ny tsy fahandriampahalemana ny eto amin’ny firenena. Fandemen-tsaina ny fikasihan-tanana na an-kolaka na mivantana atao amin’ny mpanao gazety. Na miditra na mivoaka ny toeram-ponenana na ny toeram-piasana dia tandindonin-doza mandavan-taona ny mpanao gazety, toy ny nanjo ireto mpanao gazety roalahy tratry ny herisetra, izay samy miasa amin’ny haino vaky jery tsy miankina vao andro vitsy izao.
Hery fahefatra eto amin’ny firenena ny mpikirakira ny asa fanaovan-gazety. Maro be ny olana sedraina eo am-panatanterahana ny asany mandritra ny ora fiasana na aoriana. Hita sy tsapa eto amintsika io toe-javatra io, ary miseho amin’ny endrika maro izany. Midika izany fa asa masina ny asa iantsorohan’ny mpanao gazety saingy tsy mampihemotra izany na dia ao anatin’ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana aza.
Miakatra ny mari-pana amin’ny fanehoan-kevitra ara-politika eto amin’ny firenena, indrindra amin’izao mialohan’ny fifidianana filohampirenena ho avy izao. Ahitana herisetra avokoa na ny eto Antananarivo na ny any amin’ny Faritra, toy ny nanjo ireo mpanao gazety roalahy ireo. Ny mpanao gazety iray dia ao amin’ny haino vaky jery izay an’ny filohampirenena ankehitriny, ny iray kosa dia avy amin’i Hajo Andrianainarivelo, izay nanambara ny firotsahan-kofidiana ho filohampirenena 2023. Tsy misy mahatohitra ny mpanao gazety rehefa mby anaty firaisan-kina mijoro ara-poto-kevitra izay. Entina manamafy izany fa anisan’ny mitondra singa miabo, ary fanovana goavana eto amin’ny firenena ny asan’ny mpanao gazety manaparitaka ny vaovao. Raha mitohy hatrany ny tranga toy izao dia atahorana ny fiatraikany eo amin’ny fiainana andavanandro eo amin’ny samy mpanao gazetin’ny mpomba fitondrana na ny an’ny mpanohitra izany satria dia manao vy very ny aina amin’izany. Maro ny fanontaniana mby ao an-tsaina hoe fifandrifian-javatra ve sa herisetra ninia natao no nitranga tamin’izy ireo, satria samy naratra mafy avokoa.
Tandindomin-doza ny ain-dehiben’ny mpanao gazety , eny fa na ny olom-pirenena koa aza mandry tsy lavo loha manoloana io tsy fandriampahalemana io. Ilaina ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny fiarovana maha olona ny mpanao gazety tsy an-kanavaka na miditra na mivoaka mba hisoroana izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top