Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andry Rajoelina : Miseho hoazy ny kolikoly iraisam-pirenena

La gazette de la grande île
15/08/202350 second read

Miseho hoazy ny kolikoly iraisam-pirenena noho ny fahatratrarana ny tele ny kabinetran’ny filohan’ny repoblika malagasy Andry Nirina Rajoelina izay tazonin’ny fanjakana angilisy tamin’ny alakamisy 10 Aogositra 2023 teo tany Angletera satria nanao kolikoly tany amin’ity firenena ity tamin’ny alalan’ny raharaha fandraharahana momba ny vatosoa avy aty Madagasikara izay iyaeonan’ny fitsarana anglisy an’i Andrianarisoa Romy Voos .
Na inona na inona fomba fanazavan’ny ny fiadidiann’ny repoblika sy ny fanjakana dia miray tetika amin’ny tale ny kabinetran’ny Romy Voos Andrianarisoa ity ny filohampirenena malagasy Andry Nirina Rajoelina. Raharaha itambarana io.
Ity raharaha ity dia midika fa tena naondrana antsokosoko ny harem-pirenena sy mpanao kolikoly iraisam-pirenena ny mpitondra ny firenena malagasy. Azo antoka ankehitriny fa ireny volamena sy vatosoa naondrana antsokosoko avy eto Madagasikara ireny dia ny mpitondra ambony avokoa no manao izany.
Mazava hoazy fa mila fanazavana ny raharaha toa itony ka aiza ireo mpitondra fanjakana no tsy miteny. Afa-baraka tanteraka ny firenana malagasy nohon’ny fitondrana Andry Rajoelina an’ity raharaha ity. Mieritrereta ry malagasy fa izany no filoha izay mitondra ny firenena ankehitriny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top