Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Andry Rajoelina : Ny fanapotehana ny toe-karena malagasy

La gazette de la grande île
15/08/202357 second read

Raha manao dia mianotra amin’ny fahapotehan’ny toe-karena eto amin’ny firenena noho ny kolikoly avolenta nataon’ny fitondrana Rajoelina isika dia ireto avy no nanamarika izany:ny fanaovana kolikoly sy ny fivarotana vatosoa izay naha voatazona any am-ponja ny tale ny kabinetran’ny ny filohampirenena Romy Andrianarisoa any Angletera tamin’ny alakamisy faha 10 Aogositra 2023 teo. Ny fanondranana volena antsokosoko tany Kaomoro, Afrika Atsimo, ny fahaverezan’ny volamena tao amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany. Ny vato safira lehibe indrindra naondrana tany Sri-Lanka sy Dobay izay isan’ny lehibe indrindra à et an-tany nefa niala antsokosoko teto Madagasikara sy ny hafa marobe…
Ankoatran’ireo dia zava-doza ny mahakasika ny vidin’ny lavanily ankehitriny izay tafidina 2000ar ny kg raha toa telo hetsy ariary (1500 000 fmg,) izany teo aloha. Ny mpitondra ankehitriny izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina no mahatonga izany na inona na inona no fomba fialana. Potika tanteraka ity sehatra ity tamin’ny taona 2023 ity.
Tsy nijery raha tsy namany sy ny fianakaviana i Rajoelina sy ny fitondrany. Ny vola no nibaiko azy. Ny fianakaviany sy ny namany akaiky no nanapotika ny firenena. Mbola mieritreritra ny hanohy izany izy sy ireo ekipany ireo. Taonina amin’ny fanorenana fotodrafitrasa kely vitany ny fahantrana eto amin’ny firenena..

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top