Dia mbola nandainga tamin’ny vahoaka malagasy indray ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fandaharana mivantana tao amin’ny fahitalavitra vitsivitsy herinandro vitsy lasa izay. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny delestazy tsy ankijanona sy mihamafy andro aman’alina manerana an’i Madagasikara. Tamin’izay indrindra no nilazany sy nanambarany ho ren-tany sy lanitra fa raha tsy mahita vaha olana amin’izany ny minisitr’i n’ny angovo dia hoesorina amin’ny toerany. Tapitra ny telo andro nomeny tamin’izany nefa dia mbola mijanona amin’ny toerana ihany ny minisitra ity.
Tena lainga mivantana tanteraka iny nataon’ny filoham-pirenena Andry NIRINA RAJOELINA iny. Inona no sazy tokony homena ny filohampirenena mandainga toa izany. Ny any amin’ny faritra manerana ny Madagasikara dia efa tsy delestazy intsony no iainana fa fanapahana jiro fotsiny izao. Programan ny jirama sy ny ministera mihitsy no misy.
Tena mandainga ny filohampirenena Andry Rajoelina ankehitriny amin’ny fanambarana iny.
Tsy ny delestazy ihany no nampandainga ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina fa zavatra maro be. Isan’ireo ny momba ny lalana maro. Aiza izao ny Rn13, ny fanamboarana lalana 250km isakin’ny faritra isan-taona? Nangina toa ny tsy nisy ny raharaha iny. Toa izany koa ny lalana mihantona etsy Anosizato. Maro tsy ho ary voatanisa intsony ny kobaka am-bava nampanantenaina teto amin’ny firenena ity. Ny « homme d’état » dia tsy mandainga toa izao. Mampalahelo i Madagasikara.
Jirama : Dia mbola nandainga indray Rajoelina
La gazette de la grande île
17/08/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313135
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »