Nankalazaina izay tsy izy ny fihaonan’ny Papa François filohan’i Vatican sy ny eglizy katolika Romanina tamin’ny alakamisy faha 17 Aogositra 2023 teo tao Vatican sy Andry Rajoelina mianakavy.
Nambara tamin’ny haino aman-jery fa fitsidihana « privée » no ataon’ny filoham-pirenena malagasy Andry Nirina Rajoelina any amin’ny Papa François ity. Izany no antony nitondrany ny vady aman-janany. Nahagaga indray anefa fa nanaraka azy ny filohan’ny diplaomasia Malagasy ramatoa Yvette Sylla. Ny tena nahagaga dia ny fandefasana izany fihaonana izany koa tamin’ny haino aman-jery. Tamin’ny fomba ofisialy anefa no nandraisana tao Vatican ka nanajana ny arifenitra momba izany.
Eo ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara. Telo volana mahery sisa. Manao izay fomba rehetra handresena lahatra indray ny vahoaka malagasy izay nampijalian’ ny fanjakana Rajoelina tao anatin’ny 5 taona. Ny fisehoana toa ireny dia azo lazaina politika ho tanteraka hamitahana ny vahoaka malagasy indray toa ny fanaony mahazatra.
Tsy nitondra soa ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy iny fihaonana iny. Tsy nisy tombotsoa hoan’ny firenena malagasy izay latsaka ao anatin’ny fahantrana sy lavaka mangitsokitsoka. Dia tsy hahita izany ve i Papa François ka mbola hanohana an’i Andry Nirina Rajoelina ihany anefa ny vahoakan’Andriamanitra efa mijaly velona?
Papa François sy Andry Rajoelina : Tsy hitondra soa ho an’ny Malagasy
La gazette de la grande île
18/08/2023•58 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313135
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »