Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Politique

Fitokanana ny RN44: Voky lainga ny vahoakan’Alaotra

La gazette de la grande île
09/09/20232 minute read

Novokisana lainga tanteraka ny vahoakan’Alaotra nandritra ny fitokanana ny RN44. Tsy nihambahamba i Andry Rajoelina mpandainga nilaza fa izy no nanao io lalana io.
Tsiahivina anefa fa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nahazo ny fifanaraham-piaraha miasa sy ny famatsiambola nanaovana io lalana io. Ny taona 2018 no nanomboka ny fanamboarana ny RN44 izay naharitra 5 taona. Ny taona 2019 no tonga teo amin’ny fitondràna i Rajoelina Vazaha ary avy hatrany dia nolazainy fa tetik’asany ny asa izay efa nanomboka tao amin’ny RN44.
Nitokana ihany no nataon-dRajoelina fa asa efa nanomboka tramin’ny fitondràna teo aloha ny fabnamboarana ny RN44. Lainga ny filazàny fa izy no nanao an’io. Velirano nataingina teo ambonin’ny tetik’asa efa natomboky ny filoha Rajaonarimampianina ny fabamboarana ny RN44. Ny Filoha Hery Rajanonarimampianina avokoa ny nanao ny sonia rehetra teo aminb’ny fanatanterahana io asa io.
Ny taratasy eo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy dia manporofo fa tsy misy sonia an-dRajoelina ny fifanaraham-piaraha miasa hanamboarana ny RN44. Tsy misy na taratasy iray aza manaporofo fa tetik’asan-dRajoelina ny fanamboarana io lalana io. Efa nanomboka tamin’ny taona 2018 ny asa fanamboarana ny RN44. Namantam-bonona fotsiny i Andry Rajoelina izay tonga teo amin’ny fitondràna ny taona 2019.
Vahaolana lehibe ho an’ny fampandrosoana ny faritra Alaotra ny fahavitan’ity lalampirenena faha 44 ity. Ny zava-dehibe dia ny fahavitàny, saingy tsy tokony novokisana lainga toy izao ny vahoaka. mpitondra tsy misy azon-damosina i Andry Rajoelina. Asa efa nataon’ny filoha teo aloha no hidokafan-tena. Tsy menatra misalotra ny zavabitan’ny hafa no sady misora-tena ho nahavita anefa mijapy fotsiny ihany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top