Noteren’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho ny tenany ihany no hitantana ny tany sy ny firenena rehefa nametram-pialana i Andry Rajoelina tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra manokana ny sabotsy 9 septambra teny amin’ny Lapam-panjakana Mavoloha. Adi-hevitra tanaty savorovoro no nitranga ny alin’io sabotsy io, koa dia niditra an-tsehatra ny tafika. Fanambarana niloaka teny am-bavan’ny tafika hoe « ho raisinay ity fahefana ity rehefa tsy hainareo ny mitondra azy…. », araka ny loharanom-baovao tao amin’ny Lapam-panjakana. Any anaty lalàmpanorenana, mila mametram-pialana ny filohampirenena amperin’asa raha hilatsaka hofidiana ny tenany. Koa ny filohan’ny Antenimierandoholona no filoha misolo toerana mitantana ny tany sy ny firenena aorian’io fametraham-pialana io. Nandà izany ny filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana noho ny antony miankina amin’ny tenany manokana, araka ny voalazany. Misy ny feo nandeha fa noterena an-kolaka tsy handray ny fitantanana ny tenany, mangina tsy mety raisim-peo hatramin’izao.
Vokatr’izany dia lasa miara-mitantana ny tany sy ny firenena ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tohina ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena ,ny mpanao politika , ny olompirenena satria dia tsy manaja ny lalampanorenena ny filohan’ny Antenimierandoholona. Tokony efa ela izy no nametram-pialana satria efa fantatra ny fizotran’ny raharaham-pirenena dia ny hisian’ny fifidianana filohampirenena 2023. Tratran’ny sangodim-panina politika ny maro manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Sahy nandom-baravarana ny tafika hatreto , tsy nisy nanampo ny rehetra. Araka izany dia manangasanga ny mety handraisan’ny tafika tampoka io fahefana io raha toa ka tsy ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena ny kasain’ireo mpiara-mitantana ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian hampanjakana eto.
Lapam-panjakana Mavoloha Nandom-baravarana ny tafika
La gazette de la grande île
13/09/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313135
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »