Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ntsay Christian sy Ravatomanga Mamy: Mamboly ady an-trano

La gazette de la grande île
19/09/20232 minute read

Misavorovoro tsy ahitana fitoniana ny fiainam-pirenena eto amintsika amin’ny ankapobeny , kanefa tokony tsy hadinoina fa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ny eto amintsika amin’izao fotoana. Tsy afa-bela amin’ny fambolena ady an-trano hiteraka korontana etsy sy eroa ny praiminisitra Ntsay Christian sy Mamy Ravatomanga. Isan’andro dia ahitana olana sy ahenoana tetika maloto hatrany re eny anivon’ny fiaraha-monina.
Volana vitsivitsy lasa izay dia re ny fisian’ny fandefasana vatan-dehilahy (mety misy vehivavy) niondrana any ampitan’ny ranomasina . Ny fanampim-baovao fantatra taty aoriana dia hoe « naondrana hiofana hiatrika ady izy ireny ».


Etsy ankilany, miteraka resa-be any anivon’ny tafika koa izao fa misy andian’olona nampidirina any amin’ny vondron-tafika sasany. Karazana fanatevenan-daharana ny tafika izany. Mampiahiahy ny fianakaviamben’ny tafika izany satria sady tsy zazavao no tsy tafika nanohy ny asany (reengagés) . Misy ny mampifandray an’ireo tranga roa ireo, dia ny fandefasana vatan-dehilahy niofana any ivelany sy izao fampidirana andian’olona any amin’ny tafika izao. Izany hoe « ireo nalefa niofana ve no nampidirina ao amion’ny tafika ? »
Fantatra àry ankehitriny fa tetika maloto eo amin-dRavatomanga sy i Ntsay Christian izany rehetra izany, ka ny tanjon’izy ireo dia ny handrehitra ady an-trano eto ka ireny andian’olona nampidirina ao anatrin’ny tafika ireny no hanao izay hampahomby azy.
Mety ho lasa lavitra mihitsy aza ny tetika, hoy ny akom-baovao, ka isan’izany ny handravan-dRavatomanga sy Ntsay Christian ny dingana hanatanterahana ny fifidianana ka ry zareo no mitantana ny fahefam-panjakana mandra-panaovana izany fifdianana izany, ary i Andry Rajoelina dia tsy havelan’izy ireo hody intsony eto Madagasikara. Fantatr’i Ntsay Christian sy Ravatomanga mihitsy mantsy, hoy ny vaovao, fa i Andry Rajoelina no loharanon’ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta Ntsay Christian ka nahavitana namory soniana depiote 105.
Etsy an-kilany, fantatr’i Mamy Ravatomanga sy Ntsay Christian koa fa raha ny iray amin’ireo mpanohitra amin’izao fotoana no mahazo ny fahefam-panjakana eto dia izy roalahy ireo no ho sahirana voalohany, ka dia iray amin’ny antony tsy hamelan-dRavatomanga sy Ntsay Christian hanatanterahana ny fifidianana izany.
Raha akapoka dia hosakanan’izy roalahy ireo tsy hiakatra eo amin’ny fahefam-panjakana na i Andry Rajoelina na ny mpanohitra an’i Andry Rajoelina, ka tetika hampanjary izany ny famelomana ady an-trano eto dia mihamafy ny fahefan’izy roalahy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top