Ny olon-dehibe no miady dia ny ankizy no voaporiporitra, hoy ny filazan’ny Ntaolo malagasy. Ny fanjakana foibe sy ny SECES no ambara etoana. Mibaby ny zioga volen’ny SECES mandavantaona ny mpianatra malagasy mandranto fianarana eny amin’ny Oniversite enina eto Madagasikara. Toa iniana potehana ve ny fampianarana eny ?. Io zioga io dia ny fitakiana ny trosa tsy voaefan’ny fanjakana foibe , dia ny minisiteran’ny fampianarana ambony no voasoketa voalohany amin’izany. Sasatry ny manao fitakiana ireto SECES ireto mandavantaona, izay tsy manam-pitsaharana satria ny ampahany amin’io fitakiana io no voaloa. Dia indro izy ireo maneho amin-kery anaty fanambarana rehefa misy ny raharaha politika mamaivay eto amin’ny firenena. Tsikaritra mandrakariva izany, ary dia mihafara amin’ny fampiatoana ny fampianarana hatrany.
Araraotin’ireto SECES ny mampiditra anaty vovo ny fitakiana ny trosa. Tombotsoan’izy ireo ny mitarika fitokonana, mandrisika ny mpianatra hiara-hitaky ny tombotsoany avy. Tsy mahita fatiantoka na mbola hatao taona fotsy aza ny taom-pampianarana iray na roa taona, satria dia mpampianatra eny amin’ny Oniverite tsy miankina ny ankamaroan’izy ireo. Faharoa manaraka izany, saika mpanao politika any anaty antoko politika avokoa ry zareo. Ny mpianatra no atao fitaovana politika, dia ireny mandoro kodiarana , mibahan-dalana toy ny nitranga afak’omaly teny Vontovorona ohatra. Mitaky ny mpianatra nilanja sora-baventy hoe « Te hianatra izahay, avereno ny fampianarana.. »
Beazina amin’izany fitokonana ara-politika izany hatrany ny mpianatra manerana ny Oniversite. Tsy lavina ny fitakiana maha olona ho an’ireo fotodrafitrasa ilàna fanavaozana, zo fototra izany.
Ny ankamaroan’ireo mpianatra anefa dia manana fahasahiranana ara-bola matoa miakatra eny amin’ny Oniversitem-panjakana. Mazava izany fa hanovo fahaizana amam-pahalalana no idirana eny noho ny ray aman-dreny izay tsy afa-manoatra.
Rehefa hanao io fitakiana trosa io amin’ny fanjakana foibe ny SECES dia tokony miandry ny fandoavana manontolo ny trosa vao hiverina mampianatra. Lasa sorona mandavantaona ny mpianatra tranainy sy ny vao miditra amin’ny Oniversite, ka mitarika fahapotehan’ny tontolon’ny fampianarana ankapobeny.