Tsy fantatra intsony izay mandainga amin’ny antoko roa mifandona ankehitriny. Samy milaza ny filazany ny andaniny sy ny ankilany. Manao izay tsy hahazoana miteny ny ekipan’ny fitondrana izay miaraka amin’ny Andry Rajoelina. Ny kandidà 12 manohitra azy indray dia manao izay hahazoany maneho hevitra ankalamanjana. Raha tsy hijery ny famoriam-bahoaka heverin’ny kandidà 12 hatao ny zoma faha 29 Septambra 2023 izao ao amin’ny Palais de Sport ao Mahamasina. Mifampiampanga fa mandainga ny roa tonta. Tsy fantatra intsony izay marina. Inona izany no hitranga amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana. Ny azo antoka dia tsy hisy hanaiky ny vokam-pifidianana ny roa tonta. Hiteraka krizy izany na tiana na tsy tiana.
Maizina noho izany ny hoavin’i Madagasikara. Atahorana mafy ny mety hiverenana amin’ny korontana politika indray toa ny nitranga tamin’ny taona 2009, 2001, 1991…
Fitiavan-tena no manjaka eto Madagasikara ankehitriny ataon ‘ny milaza azy fa mpanao politika. Potika ny firenena. Inona no hitranga amin’ny zoma izao. Samy miandry ny rehetra.