Mitohy ny fihaonana amin’ny hery roa mifanandrina ary hatrany amin’ny hery velona hafa. Fantatra amin’izao fotoana izao fa nihaona tamin’ny Andry Rajoelina ireo Delegasionina izay ataon’ny solontenan’ny firenena mikambana eto Madagasikara nanomboka ny alatsinainy 26 Septambra 2023 teo. Maro no efa nihaona taminy tamin ‘izany. Tsy misy mipika ny resaka nefa na izany aza dia fantatra izao fa raha toa ka tsy mahomby ny dinika hahitana vaha olana amin’ny mpifanandrina roa dia mety hihato ny famatsiana vola avy any ivelany izay mifandray amin’ny komity iraisam-pirenena rehetra.
Raha ny loharanom-baovao azonay dia mitaky ny hamerenana ny fitantanana ny raharaham-pirenena.