Hiakatra eny Analakely ny kandidà 12 amin’ny alatsinainy. Amin’ny alatsinainy faha 2 Oktobra 2023 izao no milaza fa hitarika olona eny Analakely eo amin’ny kianjan’ny 13 May ireo kandidà miisa 12 izay mitaky ny fialan’i Andry Rajoelina hisintona ny fandraisany anjara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny faha 9 Novambra 2023 izao. Izany dia noho ilay maha frantsay azy araka ny fangatahany tamin’ny 2014.
Noho izany dia hafana ny raharaham-pirenena manomboka amin’ny alatsinainy io. Herinandro nefa no sisa tavela dia hanomboka ny fampielezan-kevitra amin’ity fifidianana ity.
Mikorontana tanteraka ny raharaha politika eto Madagasikara. Mizara be ny hevitra ankehitriny ka maro no tsy mino intsony fa ho tanteraka ihany amin’ny tetiandro voalaza eo ambony io ny fifidianana.
Manaraka izany dia hanao fanambarana ny FFKM mahakasika ny fifidianana ity. Inoana fa hanambara ny vokatrin’ny fakankevitra izay nataony nandritry ny iray taona izao. Ity FFKM ity izay mitazona ny teniny fa tokony hisy fifampiresahana aloha vao miroso amin’ny fifidianana.
Tsy maintsy hanao fa nambaranao koa ny solotena ny firenena mikambana mahakasika ny diany eto Madagasikara mahakasika ity fifidianana ity.
Hafanana sy hangotraka ny raharaham-pirenena manomboka ny alatsinainy izao.
Manahy ny hisian’ny krizy vaovao indray ny ankamaroan’ny Malagasy.
Politika : Hangotraka ny politika amin’ny herinandro
La gazette de la grande île
01/10/2023•56 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313039
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »