Araka ny efa nolazainay teto ny faran’ny herinandro teo dia hiakatra eny amin’ny kianjan’ny 13 May eo Analakely ny kandidà 11 izay tsy mankasitraka ny filatsahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina noho ny maha vazaha taratasy azy. Androany alatsinainy faha 2 oktobra 2023 no hanatanterahana izany. Marobe ny fanentanana nataon’ny mpomba ity hetsika ity tany amin’ny radio sy tele maro tao Madagasikara ny asabotsy sy ny alahady teo. Depiote mpanohitra am-polony tsy manaiky izany zava-misy izany sy ny kandidà 11 ireo ary ny mpiara-dalana aminy no niara-nilahatra niainga avy eny Mahamasina hihazo an’Analakely androany 2 oktobra 2023 tamin’ny 11 ora maraina. Na dia maro aza ny sakana izay nataon’ny mpitandro ny filaminana dia tsy nahasakana ireto mpitaky ny ara-dalàna izany. Rehefa tonga teo amin’ny tonelina Analakely dia nampiasa hery ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-nat ka nampiasa ny basy sy ny baomba teny am-pelatanany ka voa mafy ny filohan’ny antoko HVM (Hery Vaovao ho an’ny Madagasikara) Rivo Rakotovao. Voatifitra ny tongony ary misy ratra mafy koa nahazo ny vatany. Asa izay hiafarany fa miditra hopitaly izy noho izany.
Ny kandidà Andry Raobelina koa dia nolalovan’ny bala ny tarehiny ka maratra ary niditra hopitaly ihany koa. Misy ratra hafa nahazo azy ihany koa. Ireo mpanara-dia azy ireo dia nisy koa ny naratra torak’izany vitsivitsy.
Nisy koa ireo nosamborin’ny miaramila ka isan’izany i Riana SG ny antoko politika Tim (Tiako i Madagasikara) ary ny mpiambina akaiky an’i Marc Ravalomanana.
Mangotraka ny raharaha politika. Mifampihantsy ny andaniny sy ankilany. Manomboka ny sakoroka. Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny mbola na tsia hizorana amin’ny fifidianana ho eken’ny rehetra sy madio ary hanara-dalana. Ho hitantsika eto ihany ny tohiny.
Fisakanana ny 13 may : Maratra mafy ny kandidà Andry Raobelina
La gazette de la grande île
02/10/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312947
Your IP Address: 18.191.62.68
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »