Nanivaiva ny Zandarmaria ny kandida Ravalomanana tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy lasa teo , tamin’ilay hetsiky ny kandida 11. Fihantsiana ady amin’ny zandarmaria no nataony tamin’ny tafa tamin’ny mpanao gazety, izay miendrika fandranitana ny eny anivon’ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Tsy inona izany fa ny fihampangany mivantana ny zandary ho nanao herisetra sy nampiasa hery tamin-dry zareo, ary nanipihany fa « ny zandary ihany no manao izany fa ny miaramila sy ny polisy dia mipetraka tsara tsy mihetsika » .Tsy mbola niova ity filoha teo aloha ity eo amin’ny fomba fanajana ny foloalindahy malagasy hatramin’izao. Efa lehiben’ny foloalindahy malagasy izy tamin’ny fotoana nitondrany, mampatsiahy ny tsy fanajana ireo be galona tamin’izany , dia manao « ialahy , ialahy » sy ny maro tsy voatanisa.
Tokony tsy hadinoina, hoy ireto manamboninahitra ao amin’ny foloalindahy fa misy ny fitsipika mifehy anay ato, tsy mitovy aminareo sivily izany. Ao ireo arofenitra tsy maintsy iombonanay ary hajainay am-pirahalahiana izany rehefa tonga ny fotoana toy ireny tamin’ny alatsinainy ireny. Koa tianay ny mampahafantatra ho ren-tany ho ren-danitra fa manoloana ny hetsika ara-politika ahitana famoriam-bahoaka andalambe toy ireny, dia ny Zandarmaria hatrany no tompon’ny toromarika amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ry zareo no mitahiry ny fitaovana entina ho amin’ny famerenana ny filaminana anatiny, tsy fampiasan-kery koa ny fampiasana ny fitaovana toy ny baomba mandatsa-dranomaso ,na ny fitaovana mifanaraka amin’izany hetsi-bahoaka izany, hoy hatrany ireo manamboninahitra miaramila ireo. Ny miaramila dia tsy miditra amin’ny fibaikoana amin’ny fitandroana ny filaminana raha tsy hoe misy ny fihoaram-pefy mety hitranga ataon’ny mifanandrina aminy, izany hoe hampiasa ny fitaovam-piadiana toy ny basy ry zareo. Ny Polisy sy ny miaramila izany dia manaraka ny fibaikoana arindran’ny zandarmaria hatrany na inona fanapahan-kevitra raisina eo. Koa aza gaga isika raha ny Lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria Analamanga no nanome baiko teny sy nampita ny serasera izay niraisanay teo, dia ny Kolonely Randrialijon Tojo izany.
Koa tsindrianay eto anivon’ny foloalindahy fa iray ny foloalindahy ary tokana hatrany ny fibaikoana manoloana ny hetsi-bahoaka na ny famoriam-bahoaka. Fampiadiana na fampirafesana anay miaramila sy polisy amin’ny rahalahinay zandary ny ankoatra izay, hoy ny fanamarihana
Eto am-pamaranana , dia nitodika tamin’ny kandida 11 na ireo mpanohitra izy ireo, indrindra ny vahoaka malagasy, tany tan-dalàna i Madagasikara, manana ny fitsipika mifehy anay izahay foloalindahy malagasy na iza filoha voafidy na iza. Koa alaviro ny tsy fanajana ny lalàna velona eto amintsika. Ataovy am-pelatanana mandrakariva ny taratasy fahazahoan-dalana hamory vahoaka vao midina eny an-kianja, tsy ho lasa sorona tsy amin’ny antony na ny mpamory vahoaka na ny vahoaka tarihana. Hafatra miantefa amin-dRavalomanana sy ireo kandida mifanohana aminy izany, sanatriavina tsy ho lasa ady anaty akata no hanabeazana ny vahoaka mpanara-dia.
Miaramila, zandary, polisy : Ampiadian-dRavalomanana
La gazette de la grande île
04/10/2023•3 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312948
Your IP Address: 18.116.24.111
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »