FANAMBARANA
Ho entintsika aiza ity firenentsika Madagasikara ity?
Midika firaisan-tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny tsy rariny ka tsy hangina izahay!! “Fifampidinihana itadiavam-bahaolana miaraka ihany no lalan-tokana hisian’nyfifidianana malalaka, tsy mitanila, mangarahara ary eken’ny rehetra ahafahana miantoka filaminana sy fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara”.
Mba hisian’ny fitoniana manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana mialoha ny fifidianana izao dia manao izao fanambarana izao ny Fikambanana firaisamonim-pirenena mba ho fanajana ireo zon’olombelona fototra neken’ny Firenentsika manoloana izao tontolo izao :
1) Takiana ny hisian’ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra ary ny hanao fivoriana/fihetsiketsehana an-kalamanjana mba ahafahana mampisy adihevitra manodidina ny programa fampandrosoana an’i Madagasikara.
2) Takiana ny fanajanonana ny fampihorohoroana, fanenjehana, fisamborana ary fanagadrana ny Olompirenena izay maneho hevitra na amin’ny haino aman-jery na amin’ny tambazotra sosialy sy ireo Mpanao gazety manao ny asany satria zon’olombelona fototra izany.
3) Takiana ny fampiatoana ny herisetra sy ny fampiasan-kery ary ny fitaovam-piadiana mandratra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ataon’ny zandary, miaramila sy polisy izay toa lasa hery amoretana fa tsy mitandro ny filaminana ary mba hisian’ny fanadihadiana tsy miankina ataon’ireo rafitra nasionaly sy iraisam-pirenena mikasika ireo fampiasan-kery tsy ara-drariny sy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ireo.
Mba itadiavam-bahaolana am-pilaminana amin’ny krizy misy dia manao antso avo amin’ny Kandida rehetra mba hipetraka ambony latabatra boribory ary hampisy sehatra ifanakalozan-kevitra handrafetana fitsipi-dalao mazava sy ifanarahana hananana fifidianana milamina ary indrindra itadiavam-bahaolana maharitra manoloana izao krizy miverimberina izao.
Mamporisika sy manohana hatrany koa ny fanelanelanana ho fitadiavam-bahaolana ataon’ireo rafitra manana adidy amin’izany na rafim-panjakana, na firaisamonim-pirenana na tsy miankina, indrindra moa ny Ray amandReny ara-pinoana toy ny FFKM.
Mpanao sonia :
Ireo Fikambanana 41 nanao Fanambarana ny 14 Septambra 2023 sy ny Vovonana ROPE (Réseau d’Observatoire pour la Prévention des conflits Electoraux).
Antananarivo, 09 Oktobra 2023.








