HCC
Mendrika azy ny horavana fa manaonao foana
Taorian’ny fihaonana nataon’ny 11 kandidà sy ny mpikambana ao amin’ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàmpanorenana ny voalohany herinandro teo dia nanapa-kevitra androany alakamisy faha 13 Oktobra 2023 ity andrim-panjakana ity fa hahemotra amin’ny faha 16 Novambra 2023 ny datin ‘ny fifidianana izay efa voalaza fa hatao ny 9 Novambra 2023 izao. Afaka adiny iray taorian’izay dia novonoina tamin’ny anterineto ao amin’ny kaontiny HCC indray ny filazana
Inona no tena marina amin’ny raharaha ity. Tsy izy intsony izao. Rariny sy hitsiny raha ravana ity andrim-panjakana HCC ity. Misavoritaka tanteraka.
Fanonganana ny filohan’ny Senat
Raharahan-jiolahimboto tanteraka
Tsy misy henatra sy hasina intsony ny fanesorana ny filohan’ny antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa teo amin’ny toerany an’io alakamisy faha 12 Oktobra 2023.
Naongan’ny senatera 14/18 mianadahy ny filohan’ny sénat ity satria nilaza ny marina amin ‘ny antony nandrahonana azy amin’ny handraisany ny andraikitra ho filoham-panjakana vonjimaika mandritry ny enim-bolana, araka ny voalazan’ny lalampanorenana. Rehefa nilaza ny marina ka nanambara izany tamin’ny mpanao gazety sy ny vahoaka mivantana maneran-tany dia tezitra ny senatera mpomba an’ i Andry Rajoelina. Vokatr’izany dia nangataka ny governemanta sadasada tarihin’ny Ntsay Christian napetraka amboletra hitantana ny tetezamita ity izy ireo. Avy hatrany dia nanaiky koa ny governemanta ka raikitra ny fanonganana ny filohan’ny sénat ity.
Izao zavatra mitranga izao no atao hoe fanjakana jiolahimboto. Tsy manara-dalàna. Tsy manana fahefana hanongana filohany ao anatin’ny tetezamita mihitsy ny senatera ireo. Tena fihetsika tamin’ny andron’ny Baroa. Fanjakana mpandroba, mpanapatra fahefana, mpanao didy jadona. Fanjakana jiolahimboto no azo i sokajiana azy.
Toa izao zavatra mitranga izao no miseho amin’ny firenena iray rehefa ho rava ny fitondrana na ny régime nitondra. « Efa roso Zanahary » miandry ny tohiny isika.