Nofoanan’ny Sefom-pokontany etsy amin’ny fokontany Behoririka Ambatomitsangana ny daba-pako lehibe izay nampiasan’ny mponina ao. Tsy afa-bela ity sefom-pokontany antsoina hoe Ratsimba Harilala Achille na Jennifer ity, ary tompon’antoka feno amin’ny fako mivangongo eny an-toerana. Taona nifandimby dia teo hatrany io dabam –pako lehibe io, tsy nisy olana fa nirindra ny fandaminana tamin’ireo tompon’ny fiara miantsona eo akaiky eo. Tsy vitan’izany fa mbola mitaky vola tsy tapaka amin’ny tompon’ireo fiara eo koa ity sefom-pokontany ity.
Taty aoriana dia sahiny ny nanaisotra ilay dabam-pako lehibe, tsy nisy fakan-kevitra tamin’ny fiaraha-monina, dia nalàny tampoka izany. Anisan’ny nampimenomenona ireo mponina isan’andro satria dia nanamaivana ny loton’ireo mponina manodidina an’i Behoririka Ambatomitsangana ny fanariana fako teo. Mitaraina ireo mponina vokatr’izany , mangataka ny hamerenana ny daba-pako amin’ny toerana nisy teo aloha. Malaza ity sefom-pokontany ity fa akaikin’ny senatera Ramanambitana Richard, dia manao izay hampanjaka ny heviny tsy mahomby, hoy ny mponina maro eny , ary misy aza ny miteny azy hoe « tsy ampy solaitra fa mahitahita dia tafajanona eo na ny fahaiza-manao aza aotra », hoy ny mponina. Tao koa ny feo mandeha eny an-toerana fa « ahiana ho lasan’ ny vahiny ity toerana nisy ny dabam-pako lehibe ity aoriana kely ao ». Sady efa tsy maharaka ny fangalan’ny tompon’andraikitra manala ny fako eraky ny dabam-pako lehibe ireny amin’ny toerana samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina no mbola esorin’ny sefom-pokontany toa izao koa ny dabam-pako tokony hanarian’ny mponina ny fakony. Sa azo atao kidoro sy ndana ny fako ?
Fako mivangongo : Tompon’antoka ny Sefo-pokontany
La gazette de la grande île
14/10/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312956
Your IP Address: 3.149.235.171
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »