Kandida Rajoelina : Seho an-tsehatra no traikefany
Toy ny artista malaza eran-tany ny seho an-tsehatry ny kandida Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra roa andro nisesy tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy hatreto Antananarivo omaly alahady tetsy Antanimena. Traik’efa ananan’ity kandida ho filohampirenena ity ny fahaizany mambabo ny fon’ny mpijery eny ambony kianja fony izy ben’ny tanàna. Hijery fampisehoana aza atao, hoy ny rehetra, mainka fa misy artista (Dj) hofidiana filohampirenena mamaky lay sy ampy traikefa amin’ny fisehoana an-tsehatra toy izao. Mifangaro tao anatin’ny seho izany ny fampanantenana izay karazany ho poakaty satria ny ampahany betsaka tamin’ny fotodrafitrasa anaty velirano 13 nosoritan-dRajoelina, filoha teo aloha, dia tsy tanteraka 100% izany. Toy ny fly over etsy Anosizato izay nampanantenainy ho fialana amin’ny fitohanana lavareny amin’iny faritra Atsimondrano iny, dia hino ve ny vahoakan’ Antananarivo fa ho vitany indray izany ? Raisina koa ny fahapotehan’ny lalam-pirenena maro izay havokavoky ny famoaham-bokatra any amin’ny tany lavitra andriana. Santionany ihany ireo satria be loatra ny kobaka am-bava nataony no zary poak’aty sy tsy tontosa. Ary izao seho an-tsehatra toy ny fanaon’ny artista izao no entiny hambaboana indray ny fon’ny vahoaka any amin’ny Faritra sy ny teto Antananarivo. Koa toy ny artista midongy tehaka amin’ny mpankafy azy ny fihetsika nisongadina teo am-pandraisana fitenenana dia ny fitsinjahana tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsy hita taratra tamin’ireo fampieleazan-kevitr’ity kandida ity ny seho maha kandida ho filohampirenena azy hatreto. Mbola miandrandra ny dimy taona manaraka ity kandida artista ity, ka asa raha handrotsaka vato ho azy daholo ireo mpakafy ny artista nanotrona tamin’ny fampielezan-kevitra na ahoana.
Mpianatra Ankatso : Mikomy
Antso avo ataon’ny mpianatra Ankatso, dia ny hiverenan’ny fampianarana ara-dalàna eny amin’ny Oniversite . Tsy mila taona fotsy ry zareo. Tao anatin’ny iray volana izay, naneho hevitra fikomiana amin’ny hetsika fandoroana kodiaran-droa sy fitokonana no nasetrin-dry zareo ny hetsika ara-politika ataon’ny SECES sy ny mpitondra fanjakana , izay samy miziriziry amin’ny heviny avy. Toa tsy ahitam-bahaolana ny fanairana ataon’ny SECES, ny fanjakana koa andaniny manao bemarenina hatrany. Matahotra ny mpianatra eny Ankatso ny hisian’ny taona fotsy raha mitohy izao tsy fitoniana eto amin’ny firenena izao. Koa manaitra ny tompon’antoka rehetra amin’ny tsy fisian’ny fampianarana ireo mpianatra eny Ankatso ireo araka ny hafatra avy amin’ny ray aman-dreniny tsirairay avy, ary hitsahatra ny fikomiana fitakiana izany sao ahiana hivadika zavatra hafa indray.