Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fianakaviamben’ny La Gazette de la Grande Ile : Nodimandry i Christian Andrianarisoa

La gazette de la grande île
16/10/202342 second read

Isan’ny mpanao gazety andrarezina teo amin’ny etikan’ny asa fanaovan-gazety i Chef. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Banga iray indray mantsy ny laharan’ireo mpanao gazety matihanina satria nodimandry teo amin ’ny faha-66 taonany i Christian Andrianarisoa androany alatsinainy. Nanolokolo sy nampianatra mpanao gazety tao amin’ny La Gazette de la Grande Ile nandritra ny 20 taona izy raha tany amin’ny DMD (Dans les Médias Demain) no niasany teo aloha. Nohajainy ny etika momba ny asa fanaovan-gazety . Izany hoe tsy voasariky ny loko politika mihitsy izy fa nijoro hatrany ka nampita izany tamin’ny mpanao gazety zandriny. Nitsahatra tamin’izay nisasarany teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety izy amin’ny fodiamandriny izao. Ny Filoha Tale Jeneralin’ny Journal de l’Ile Rouge sy ny mpanao gazety rehetra dia maneho ny fiaraha-miory ary mampahery ny fianakaviana manontolo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top