Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fiainam-pirenena

La gazette de la grande île
22/10/20232 minute read

Fifidianana

Tery vay manta sisa no ataon’i Rajoelina sy ny forongony

11 andro ny zoma faha 20 Oktobra 2023 teo no nanomboka ny propagandy izay hifidianana izay ho filoham-pirenena malagasy indray. Indrisy anefa fa tsy misy izany manerana an’i Madagasikara hatramin’izao. Rajoelina sy ny forongony ihany no hita mba manao izany mitsitaitaika. Manao kely indray andro dia mijanona indray mandritra ny roa na telo andro. Na ny renivohitry ny faritany enina aza mbola tsy tongan’i Rajoelina hatramin’izao. Hita sy tsapa fa amboletra sisa no filazana ataony fanjakana Ntsay Christian sy ny governemanta sadasada mitantana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao io.
Fantatra fa hanao amboletra sy hangalatra sisa ny fitondrana ka hanao izay hampandresy an’i Rajoelina ihany no tanjona. Azo antoka fa tsy hisy olona tonga hifidy amin’ny faha 16 Novambra 2023 izao. Tena ho ambany ny tahan’ny olona hifidy. Zara aza raha hahazo olona io fifidianana io. Azo antoka fa fifidianana tsy eken’ny vahoaka no hisy raha mbola miziriziry amin’ny heviny hanao fifidianana ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina io. Tsy maintsy korontana sy krizy no ho vokatr’izany. Mbola tsy nisy teto amin’ny firenena izao zava-misy iainana izao hatramin’ny 63 taona nahazoana fahaleovantena izay.

Depiote

Nihato ny fivoriana noho ny tahotra rotaka

Nihato alohan’ny fivoriana izay ataon’ny depiote ao anatin’ny propagandy izao. Ady be sy fihantsiana isan-karazany no nitranga tao anatin’ny telo andro nanombohan’ny fivoriana izay avy amin’ny mpomba an’i Rajoelina sy ny kandidà 11. Dia izao nahantona izao ny fivoriana. Ahiana tsy hisy mihitsy ity fivoriana ity. Ady lahy politika no tena mibahana ao amin’ny lapam-panjakana ity. Azo antoka fa ady no hitranga ao mandritra ny fivoriana satria dia efa fampisehoana hery no misy.
Taratrin’ny korontana any amin’ny sehatra hafa amin’ny asam-panjakana io. Mikorontana tanteraka ny fiainam-pirenena ankehitriny. Inona no hitranga raha toa ka tsy ho voafidy indray teti-bolam-panjakana 2024? Tena zava-doza no hitranga satria governemanta tsy ara-dalàna indray no hanapaka izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top