Politika
Miaina ao anaty tebiteby ny malagasy
Mifandritotra izay tsy izy ny fiainam-pirenena eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maizina ny hoavin’ny firenena. Takona tanteraka ny masoandro ary manomboka ho maizina tanteraka ny andro.
Fifampisehoan-kery no ataon’ny mpanao politika ka samy mandrirotra ny heviny avokoa. Very tanteraka ny soatoavina sy ny fahendrena malagasy nampalaza azy hatramin’izay. Mananontanona ny ady an-trano. Raha tsy misy vaha olana hita atsy ho atsy dia korontana sy krizy be indray no tsy maintsy hiseho tsy ho ela. Azo antoka fa raha tonga amin’ny fifidianana ny faha 16 Novambra 2023 isika dia ho ady sy korontana no tsy maintsy hitranga. Rehefa tonga izay dia hitombo avo roa indray ny fahantrana izay misy amin’izao fotoana izao io. Mitebiteby sy matahotra mafy ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy eo anatrehan’ny loza mananontanona izao.
11 kandidà
Tsy maintsy idirana eo amin’ny 13 may
Tsy maintsy midina eny amin’ny ny kianjan’ny 13 May ny kandidà 11 sy ny mpomba azy amin’ny herinandro iny. Izany no fanapahan-kevitra izay nolanian’ny vahoaka manodidina ny 50 000 teny amin’ny Coliseum Analamahitsy ny asabotsy faha 28 Oktobra 2024 teo, nandritry ny tolona izay ataon’izy ireo eo anatrehan’ny tsy fahadiovana hita ataon’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina amin’izao fotoana izao momba ny fifidianana.
Nanomboka ny 9 Oktobra 2023, izay nanombohan’ny propagandy dia fanoherana ny hanaovana ny fifidianana amin’ny endriny izao no nataon’ny kandidà 11 ireto. Rajoelina ihany no tena nanao izany hatr’izay ka mandeha ila ity raharaha ity.
Mitaky ny firesahana ny kandidà 11 ireto miaraka amin’ny Herivelona maro eto amin’ny firenena nefa tsy manaiky izany Rajoelina.
Tapaka ny hevitra fa tsy maintsy milatsaka eny amin’ny 13 may amin’ny herinandro miditra io. Ela loatra ny fitakiana ka tsy maintsy vitaina haingana hoy izy ireo. Dia miandry izany ny olona rehetra.
Banky foibe
Mamatsy vola ny mpomba an’i Rajoelina
Tamin’ny fihaonam-be ny kandidà 11 teny amin’ny Coliseum Analamahitsy ny asabotsy faha 28 Oktobra 2023 teo, dia nodradradrain’ny kandidà 11 ireo manoloana ny mpomba azy marobe ny filazana fa mandefa vola amin’ny gony eny amin’ny ny Arena, foiben’ny antoko TGV isan’andro ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ampiasain’ny Rajoelina sy ny governemanta ary ny mpomba azy amin’ny propagandy ataon’ny laharana faha 3 ity izany raha ny kabary ataon’izy ireo. Milaza fa manana porofo amin’izany izy ireo. Izany no vola zaraina ataon’ny mpomba an’i Rajoelina io raha ny fanambarana hatrany.
Mihamafana ny fifampihantsiana sy ny fitsikerana isan-karazany eo amin’ny mpifanandrina roa tota. Atahorana mafy ny hisian’ny fifandonana amin’ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Fanontanian’ny maro ny mety hahavanona ny fifidianana na tsia. Ny herinandro miditra io no hahitana izany.