FANAMBARANA
Ho entintsika aiza ity firenentsika Madagasikara ity?
Midika firaisan-tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny tsy rariny ka tsy hangina izahay!!
“ Mijoro eto izahay Ndrenony/Ampanjaka sy Ray aman-dreny ara-drazana hampanaja ny soatoavina Malagasy, aoka tsy hatao sorona indray ny vahoaka Malagasy manoloana izao disadisam-pifidianana izao”
“Mifampiresaha dien’izao itadiavam-bahaolana miaraka mba tsy ho latsa-panenenana isika mianakavy raha tara loatra”
Mijoro eto izahay Ndrenony/Ampanjaka sy Ray aman-dreny ara-drazana avy ao Vohipeno, Manakara, Vangaindrano sy Farafangana. Eo anatrehan’ny disadisa sy krizy manodidina ny fifidianana misy amin’izao fotoana izao dia mitaky izahay hisian’ny fifidianana tsy mitanila, mangarahara ary eken’ny rehetra ahafahana miantoka filaminana sy
fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara”.
Mila mandray andraikitra ao anatin’ny filaminana isika Malagasy. Ny Olompirena tsirairay sy ny isan-tokantrano mihitsy no andeha hampiakatra ny feontsika mba ho fiantsoana fandraisana andraikitra haingana : ANTSO VONJY sy ny HAZO LAVA, sns… mba hanehoantsika ny TSY FANEKENA ny ZAVA-MISY ary HANERENTSIKA ny hisian’ny FIFAMPIRESAHANA haingana eo ambany fitarihan’ny Ray aman-dreny ara-pinoana miaraka amin’ny firaisamonimpirenena sy izahay Ray aman-dreny ara-drazana mba ho fitadiavam-bahaolana hanakanantsika ny loza tsy hanjo ity firenentsika Madagasikara ity.
Toy izao ny hafatra avy aminay :
Ho an’ny vahaoka Malagasy : aoka tsy ho voarebirebin’ny fanomezana isan-karazany na ny kabary mampandry adrisa isika ka ho voatapi-maso lava izao. Tandremo sao azon’ny velapandrika ka ho lasa fitaovana politika miafara any amin’ny fampiadiana antsika samy Malagasy. Tadidio anefa fa isika no Andriamanjaka, manana zo feno isika hitaky ny rariny sy ny hitsiny, ny fanajana ny lalàna ary ny fahalalahana haneo hevitra. Noho izany, sahia mijoro eo anatrehan’izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao.
Ho an’ireo Andrimpanjakana : Aza anaovana sakodim-panina ny vahoaka malagasy, ka very tanteraka ao anatin’ny fanavahana ny ara-dalàna sy ny kilalao maloto.
Ho an’ny Mpanao politika sy ireo Kandidà mpilatsaka ho fidiana : Miverena an-databatra boribory fa aza lalaovina ny vahoaka malagasy, aza miziriziry fa mifampirehasa izao dia izao.
Ho an’ny Ray aman-dreny rehetra eto amin’ny firenena : Sahia mijoro isika hiteny sy hananatra ireo zanatsika mba hitodi-doha amin’ny fitadiavana vahaolana miaraka, hahasoa ny rehetra.
Ho an’ny Mpitandro filaminana : aoka ianareo tsy lasa fitaovam-pamoretana fa ianareo no tokony hitondra filaminana sy hiaro ny vahoaka, satria avy amin’ny vahoka ianareo ary mbola hiverina aminy.
Ny tanjona dia ny mba ho tafita any amin’izay Tompon’andraikitra manan-tsofina sy tena tia tanindrazana ny hafatra sy talaho atao etona, ho an’ny malagasy tsivakivolo, “Manan-kasina ny tanindrazana, Aoka ny rariny sy ny fahamarinana no hibaiko antsika, aza viraviraina ny vahoaka malagasy amin’ny alala’ny teti-dratsy, ny kajikajy sy ny fitiavan-tena.”
Antananarivo, faha 27 Oktobra 2023