Mpanao gazety zokiolona, Ny Ray aman-dreny Rakotondrabary Dollfus , izay isan’ny namorona ny Gazety Telonohorefy tamin’ny 1956. Misaona ny Gazety Telonohorefy satria nodimandry teo amin’ny faha-90 taonany izy ny alatsinainy 30 oktobra 2023.Ny fanafenana ny nofo mangatsiakany dia hotanterahana eny Ambohinome Ivato rahampitso zoma 3 novambra 2023. Ny fianakaviamben’ny La Gazette de la Grande Ile sy ny Journal de l’Ile Rouge dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana manontolo.






