Izao olana ateraky ny krizy politika mandavan-taona izao dia mampitombo ny olana eo amin’ny sosialim-bahoaka ary dia araraotin’ny mpanao politika very seza sy tombotsoa. Nahatonga ny fositry ny hetsi-bahoaka ny afitsoky ny mpitondra nifandimby, dia ireo filohampirenena teo aloha, sy ireo andrimpanjakana miara-miasa aminy ireo hatramin’ny androany. Tsy afaka naneho hevitra an-kalalahana intsony izy ireo rehefa misy ny fahatsapany ny tsy mety ataon’ny fitondrana. Matoa ny vahoaka midina an-dalambe na dia nisafidy ny filoha azony antoka fa hampiakatra ny farimpiainany aza dia satria tsy voavalin’ilay lasa filoha ny hetahetany. Midika izany amin’izao fotoana fa tsy afa-po ireo vahoaka ireo.
Miandrandra ny ara-tsosialy ho lavorary an-tsakany sy an-davany ny vahoaka malagasy matoa nisafidy izay ho filohany. Tsy mandry fahalemana ny tany sy ny firenena na mivoaka na miditra. Delestazy mihamahery vaika isan’andro isak’alina, mitsahatra ny asa vokatr’izany. Rano tapaka , vidina lafony ny daba plastika mavo ary mbola lavitra koa ny toerana anovozana azy, kanefa dia aina ny rano ary mamelona hatrany. Ny vidim-piainana koa dia midangana arahin’ny fanararaotan’ireo mpaninjara, izay tsy ahitana famahana olana maharitra fa dia vonjy tavanandro hatreto. Ny raharaham-pitsarana dia ahitana mizana tsindrian’ila sy tsy ara-drariny, indrindra ny eo amin’ny olan’ny fananan-tany. Miteraka fidinana an-dalam-be avokoa izany olana ara-piaraha-monina izany. Ara-drariny, hoy ny vahoaka, raha misy ny hetsika hanamafisana ny tolona satria izay mpitondra rehetra nampindramina fahefana dia nameno ny paosiny sy ny tombotsoany, ary mandika lalàna araka izay mahamety azy avokoa.
Fositra lehibe ho an’ny fiainam-bahoaka ny fanaovana an-jorom-bala ny ara-tsosialy nandritra ny filohampirenena mifandimby. Fositra ho an’izay mpitondra koa anefa ny hetsi-bahoaka « diabe » izay mampitroatra ny hatezeram- bahoaka. Seho ivelany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no nimatesan’ny filoha rehetra teo aloha, dia milaza fa niakatra ny harin-karenan’i Madagasikara, ny vahoaka malagasy miha farahidiny hatrany. Dia mihevitra ve ireo filoha teo aloha rehetra ireo fa mbola haverin’ny vahoaka ny fahefana sy ny fitokisana azy, hiakarany eo amin’ny fitondrana indray ? Ny vondrona iraisam-pirenena aza efa tsy resy lahatra ny amin’izy ireo intsony matoa mizotra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana.
Filohampirenena teo aloha : Fositry ny hetsi-bahoaka
La gazette de la grande île
02/11/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
312792
Your IP Address: 18.225.175.230
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »