Vehivavy iray tetsy Andravoahangy no nifamaly tamin’ny mpitandro filaminana iray ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany. Dia ompa sy rahom-bava no renao eny am-bavan’ny mpitandro filaminana manoloana ny hatezeran’ireo mpivarotra mifanila tsy lavitra eo (epi d’or teo aloha). Hoy ilay mpitandro filaminana hoe « …izahay aza efa mihinana …mandeha etsy mandeha eroa .. izahay miaro anareo indray no tabatabaina eo , roahanay eo ianareo… » Ilay vehivavy koa etsy ankilany sesilany ny teny ratsy nivoaka ny vavany… . Tsy tsapan’ireny mpitandro ny filaminana ireny koa ve ny antony nahatonga ny hatezeran’ny mpivarotra rehefa misy fihetsiketsehana ankalamanjana sy andalambe? Mahatsiaro voahelingelina ny mpivarotra satria ilay fihariana kely andavanandro dia zara raha ahazahoana tombombarotra firy, toy ny fivarotana mofo sy gazety ka niteraka fahasorenana ho azy ireo ary sempotry ny etona mandatsa-dranomaso na lakrimozena koa mandritra izany. Tsy misy izay tsy mitaraina ny mpanao fihetsiketsehana eny an-kianja amin’ny afitsoky ny zandary etsy ankilany fa midaroka sy mandratra avy hatrany. Lasa saina ihany ny mpanao fihetsiketsehana hoe sao dia midoroka zavamahadomelina mialohan’ny fidinana eny an-kianja ireo zandary mahavita izay. Ahitana fihantsiana torak’izany koa isaky ny misy ny hetsi-bahoaka hatrizay ataon’ireo andian’olona vitsy izay mitora-bato ny mpitandro filaminana. Toy ny hita teo amin’ny tohatohabato ampitan’ny tobin-dasantsy Shell Ankadifotsy, mifanandrify an’ireo mpitandro filaminana niantrana teo Behoririka, dia nahitana tranga toy izay, ary dia voatery nanaparitaka tamin’ny lakrimozena ny mpitandro filaminana vokatr’izany. Dia rahom-bava sy ompa ve miampy daroka ve no fampiofanana azon’ireo mpitandro filaminana tany amin’ny toeram-piofanana samihafa ? Tokony hojeren’ny lehibeny ihany fa ny ray aman-dreny mpanabe no voatsiny rehefa mania ny zanaka ratsy taiza. Am-bava homana e
Mpitandro ny filaminana : Sady manompa no mandrahona
La gazette de la grande île
08/11/2023•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
314901
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »