Propagandy Andry Rajoelina
Ny vola no miresaka
Be dia be ny mitsangana ho vavolombelona fa mizara vola tsy toko tsy forohana i Andry Rajoelina sy ny mpomba azy amin’ny propagandy izay ataony io. Tena manao izay fomba rehetra hahazoana olona izay be dia be indrindra mba hilazana fa mamim-bahoaka sy tian’ny vahoaka malagasy. Ankoatra ny fizarana vola dia mitondra mpanakanto fanta-daza koa ho entina hamoriana vahoaka. Tena mahomby tokoa izany tetika izany satria dia vory tokoa ny olona. Tsy vitan’izany ihany fa atao fafikatrana ny fizarana akanjo volodaoranjy sy ny elo ary ny kasikety. Hatramin’ny zazakely dia zarainy avokoa na hita aza fa tsy hifidy.
Vola hatramin’ny 2000 ariary ka hatramin’ny 50 000 ariary isan’andro isan’olona no zaraina isaky ny fahatongavan’ny Rajoelina hanao propagandy any fitetezam-paritra ataony manerana an’i Madagasikara. Dia samia manao kajy ny vola laniny mandritra ny propagandy ataony amin’ny toerana iray.
Mitaraina anefa ireo mpomba azy satria rehefa lasa izy dia tsy mametraka vola amin’ny olona solontenany any amin’ny tanàna izay avy notsidihany ireny. Mirava maina toa ny mpamoritra alika hoy ny mpomba azy mazana. Lasa miteraka olana koa izany satria dia tsy mino fa tsy nametraka vola i Rajoelina. Velona ny ady madinika sy ny tsy fifampitokisana. Raha vao lasa Rajoelina dia mangina ny tanàna. Tsy hita intsony ny loko volomboasary. Tsy misy na afisy iray mipetaka ary tsy misy ny propagandy.
Maro no toerana notsidihan’ny mpanao gazety dia mitovy daholo eran’i Madagasikara. Tsy miraharaha izay fifidianana ny olona fa manao izay hahazoany vola sy akanjo fotsiny. Diso ny fijerin’ny mpomba an’i Rajoelina raha milaza fa mbola tia azy ny vahoaka malagasy. Azo antoka fa misy tetika maizina sy maloto fonosin’ny zavatra izao.
Kandidà 10
Notifirin’ny Emmo nat ny mpomba azy
Manomboka mihamafy ny herisetra mianjady amin’ny mpomba ny kandidà 10 ireto. Notifirin’ny Emmo nat ny mpomba azy ireo iray ny alarobia faha 8 novambra 2023 teto Antananarivo nandritra ny fisamborana ny depiote Fetra avy amin’ny antoko TIM. Naratra mafy ity olona ity.
Niarahana nahita koa ny fisamborana ny kandidà Ratsietison Jean Jacques tamin’ny alatsinainy lasa teo nataon’ny zandary. Nisy koa ny mpomba azy maromaro no nosamborina ary nampidirina am-ponja. Ny herinandro lasa iny koa dia olona maro no narary vokatry fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tsy am-piheverana nataon’ny zandary ka na namparary olona maro ka nampiditra azy ireny hopitaly mihitsy. Nisy aza no voalazan’ny havany fa nitarika fahafatesana mihitsy. Nanambara koa ny mpitandro ny filaminana fa misy mifofo ny ain’ireo kandidà ireo. Tena efa zava-doza no mitranga. Tandindonin-doza ny firenena.
Miharatsy ny toe-draharaha politika eto amintsika ka atahorana mafy hivadika krizy politika sy sosialy ary toe-karena indray izy ity. Maro ny fikambanana mangataka ny hisian’ny fifampidinihana amin’ny mpifaninana nefa tsy manaiky mihitsy Rajoelina sy ny mpomba azy.