Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Zotram-pifidianana : Vonona ny Ceni

La gazette de la grande île
10/11/20232 minute read

Feno ny fepetra ahafahana miatrika ny fifidianana filohampirenena taona 2023,
hoy ny Filohan’ny Ceni Dama Arsène Andrianarisedo teny amin’ny foibeny Alarobia androany alakamisy. Voatsinjara ara-potoana manerana ny ratsamangaikan’ny Ceni ny fitaovana iatrehana izany amin’ny 16 novambra ho avy izao, toy ny biletam-pifidianana, ny firaketana an-tsoratra, ny ranomainty tsy azo kosehina sy ny maro tsy voatanina hampiasaina amin’ny fifidianana fihodiana voalohany io. Mbola nohamafisiny koa fa tsy ananan’ny Ceni olana ny momba ny ara-bola araka ny teny apetraky ny fanjakana foibe, dia ny govenemanta izany. Nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny filohan’ny Ceni koa ny fampitaovana toy ny fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy 148 moto natolotry ny masoivoho japoney iasan’ny Ceni foibe sy ny ratsamangaikany amin’ny fanangonam-bokatra sy ny andraikitra mifanandrify amin’ny filàna.
Notsipihiny koa fa ireo mpiofana avy any amin’ny ratsamangaika isam-paritra ireo izay niatrika ny fiofanana no miantoka koa ny fanapariahana ny fitaovana eny amin’ny ratsamangaika tsirairay hatreny anivon’ny fokontany.Tsy nohadinoin’ireo mpikambana ao amin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana koa ny manome torimarika amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hatrany. Tsiahivina fa ireo Vondrona iraisam-pirenena dia efa nanome tantsoroka avy aminy ka manamafy ny fahavononana ho amin’ny fanatontosana ny zotram-pifidianana anaty fitoniana sy filaminana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top