Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana : Lalaovin’ny vondrona iraisam-pirenena i Madagasikara

La gazette de la grande île
14/11/20232 minute read

Roa andro sisa dia tonga ny 16 Novambra 2023 izay hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena indray. Tsy mbola milamina anefa ny korontana misy eo amin’ny vondron’ny mpomba an’i Andry Rajoelina sy ny kandidà 10.

Efa tonga eto Madagasikara ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena isan-karazany. Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny dia tsy mazava izay hevitrin’ ny fianakaviana iraisam-pirenena ireto fa tena fampiadiana ny malagasy mihitsy no ataon’izy ireto. Teo aloha teo dia miteny izy rehetra ireo fa fifidianana eken’ny rehetra no ilaina. Amin’izao fotoana izao indray dia milaza izy ireo fa mety ny zava-misy satria manaraka ny voalaza ao anaty lalana ny raharaha rehetra. Dia izay indray izao no voizina fa tsy misy ny tokony hanahemorana ny fifidianana.
Tena fampiadiana ny malagasy no fahitana ny fihetsik’izy ireo. Tena maro ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena no milaza fa ady no tsy maintsy hiafaran’izao. Takona tanteraka ny mason’ireo vondrona iraisam-pirenena ireto tsy mahita ny hetsik’in’ny kandidà 10 sy ny vahoaka malagasy izay tsy manaiky ny fifidianana izay hita fa feno hosoka sy halatra na dia mbola aty am-piandohana aza. Mihevitra ireo olona ireo ho dondrona sy adala
Ny tena zava-doza koa dia ny filazan’ny fivondronan’ny eveka nanao fanambarana fa hita fa tsy lavorary ny fanomanana ny fifidianana nefa dia mbola mampirisika ny vahoaka hifidy ihany. Toa ny fanekena ny ota sy ny halatra ataon’ny fitondrana misy ankehitriny. Izy ireo anefa dia mpikambana ao amin’ny FFKM, izay nitarika ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana efa ho iray taona izao. Tena manaraka ny ataon’ny vondrona iraisam-pirenena ireto no fahitana azy koa.
Atahorana mafy ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena vokatr’izany ka hiteraka krizy politika sy sosialy ary toe-karena indray tsy ho ela. Manahy izany avokoa ny ankamaroan’ny malagasy amin’izao fotoana izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top