Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena

La gazette de la grande île
14/11/20232 minute read

10 Kandidà
Manainga ny vahoaka tsy hifidy

Andro iray sy ora vitsy sisa dia ho tonga ny fifidianana izay ho filoham-pirenena malagasy indray amin’ny 16 Novambra 2023 izao.
Eo anatrehan’ny tsy fahatomombanana ny fikarakarana sy ny fahitana fa efa misy tetika maloto handaniana ny kandidà Andry Rajoelina dia nijoro hatramin’ny farany ny kandidà 10 fa tsy tokony hatao ny fifidianana raha tsy madio ny sehatra rehetra.
Vokatr’izany dia ahiana mafy ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena. Eo anatrehan’izany dia manainga ny vahoaka tsy hifidy ny kandidà 10 sy ny mpomba azy.
Mampanahy mafy ny zavatra hitranga aorian’ny fifidianana satria dia mazava ankehitriny fa tsy maintsy hiteraka korontana sy disadisa ary krizy politika sy sosialy vaovao indray ity fifidianana ity.

10 Kandidà
Nosamborin’ny polisy i Paraina Auguste

Nosamborin’ny « Brigade Criminel » ao amin’ny polisy etsy Anosy ny kandidà Paraina Auguste ny talata faha 14 Novambra 2023 tolakandro teo teny amin’ny manodidina an’Ivato iny raha ny loharanom-baovao voaray hatramin’izao. Araka ny vaovao fantatra dia mety avy amin’ny fanambarany tamin’ny gazety ny talata io fa misy fiaramanidina anglisy iray eny Ivato izay nolazainy fa haka an’i Andry Rajoelina noho ny raharaha fitsarana izay itadiavana azy any Angletera noho ny raharaha kolikoly nahavoatana ny talen’ny kabinetrany Andrianarisoa Romy nataony volana vitsy lasa izay.
Kandidà roa izany izao no tsy afaka miatrika ny fifidianana eto Madagasikara dia Andry Raoelina sy Paraina Auguste noho ny fanehoan-kevitra sy ny ratra nahazo azy vokatrin’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro ny filaminana ka nampakatra azy. Mbola tany mandala ny demokrasia ve Madagascar ary mbola tany tan-dalàna? Fanjakana jadona sy tsy refesi-mandidy no misy eto raha izao zavatra mitranga izao no jerena. Ho hitantsika ny tohiny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top