Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena

La gazette de la grande île
18/11/20233 minute read

Andry Rajoelina
Fandresena tsy eken’ny vahoaka maro

Avy hatrany dia nilaza ny amerikanina fa be loatra ny tahan’ny olona tsy tonga nifidy ka mbola hivory hiaraka amin’ny komity iraisam-pirenena izy. Amin’ny herinandro iny no ho tanterahana izany hoy hatrany ny fanambarany ny alakamisy 16 Novambra 2023 teo rehefa avy nahita ny zava nitranga teny amin’ny biraom-pifidianana maro.
Hatramin’izao dia 70% eo ho eo no olona tsy nifidy manerana an’i Madagasikara. Sarotra ny fitondrana firenena amin’izany satria misy dikany lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ny fifidianana tsy nankatoavin’ny vahoaka toa ireny. Mazava hoazy fa latsaky ny 30 % no nifidy an’i Andry Rajoelina. Fitondrana araka ny lalàna fa tsy ekembahoaka no misy eto.
Be dia be ny malagasy mimenomenona ankehitriny. Samy manambara izay saim-pantany. Tena maro ny olona tsy mahalala ny lalàna. Mifangaro koa ny politika sy ny tora-po.
Fitondrana tsy refesi-mandidy no tsy maintsy hitranga noho izany. Jadona no tsy maintsy vokatr’izany amin’ny firenena.
Mikorontana ny raharaham-pirenena. Razanamahasoa Christine mbola manainga ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana.
Azo antoka fa handresy Andry Rajoelina fa inona no ho tohin’izao raharaha izao fa tsy milamina ny sain’ny malahasy maro.

Grand Sud-est
Olona telo nosamborina noho ny politika

Mampitandrina ny fitondrana ny fikambanana Grand Sud-est eto Madagasikara noho ny fisamborana ny zanak ‘izy ireo noho ny antony politika. Tao anatin’ny herinandro izay dia nosamborina i Paraina Auguste. Taorian’ izay dia nosamborina koa ramatoa Philippine izay avy France ka tonga hanatitra fanafody any amin’ny faritra iny hozaraina amin’ny ponina any Atsimo Atsinanana toa ny fanaony. Amin’izao fotoana izao indray dia karohina sy samborina koa i Tabera Christian noho ny fanaovany politika.
Eo anatrehan’izany dia namory mpanao gazety tetsy amin’ny Antenimierampirenena ny fikambanana grand Sud-est, ny betsileo, ny Tandroy ary ny Masikoro ny zoma 17 Novambra 2023 Mangataka ny fanafoanana ny fisamborana tsy amin’ny antony toa izao.
2023. Aza atosika any amin’ny korontana ny firenena hoy izy ireo.

Fifidianana
Ambany dia ambany ny taha-pahavitrihana

Ny alakamisy faha 16 Novambra 2023 no natao ny fifidianana izay ho filoham-pirenena malagasy indray. Ambany dia ambany ny taha-pahavitrihana manerana an’i Madagasikara. Raha ny teto Antananarivo manokana no resahina dia 9%ny olona tonga nifidy tamin’ny ankapobeny hatramin’ny 12 ora atoandro. Ny tolakandro indray dia tafakatra tany amin’ny 28%ny taha-pahavitrihana ambony indrindra ary manodidina ny 20% ny amin’ny akapobeny.
Raha ny avy any amin’ny faritany indray dia manodidina ny 25% ny taha-pahavitrihana amin’ny ankapobeny.
Raha nojerena indray ny vokatra dia mitarika ny kandidà faha 3. Nahazo vato koa ny kandidà 10 izay tsy nanao propagandy na kely aza. Ravalomanana Marc dia isan’ireo nahazo vato maro koa tsy nampoizina ankoatran’ny azon’i Siteny Randrianasoloniaiko laharana à faha 13.
Raha nampitahana tamin’ny ny fahavitrihana tamin’ny fifidianana tamin’ny 2018 ny zava-misy ankehitriny dia ambany dia ambany satria nahatratra 48%mahery ny taha-pahavitrihana tamin’izany.
Ny firenena Amerikanina moa dia nanao fanambarana androany fa ambany dia ambany loatra ny taha-pahavitrihana nataon’ny Malagasy na dia nilamina aza ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Hivory izy ireo hiaraka amin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena eo anatrehan’izany. Ho hitantsika ny tohin’ity fifidianana ity satria dia tsy azo hitondrana firenena fa marefo ny filoha izay hitondra eo fa tsy eken’ny vahoaka maro

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top