Mandroseza
Efa toa ny any Haiti
Androan’ny talata faha 21 Novambra 2023, tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro dia nisy fifampitifirana tao Mandroseza miala tokony ho 200 m atsinanan’ny trano ipetrahany Razanamahasoa Christine. Poa-basy tsy nisy toa izany. Voalaza fa mpitandro ny filaminana ireto nifampitifitra ireto. Zandary no nanenjika olona dimy. Nifampitifitra ireo nenjehina sy ny mpanenjika. Nisy nanao fanamiana miaramila koa nefa ireto notafihany ireto. Vokatr’izany dia maty izy dimy lahy nenjehina ary nisy vehivavy iray koa. Misy ny milaza fa saika hananafika teny amin’ny manodidina iny ireto olona nenjehina ireto. Misy koa nefa no miteny fa resaka valifaty amin’ny samy zandary izy ity. Tsy vitsy koa no nieritreritra fa misy ifandraisany ny raharaha Razanamahasoa Christine filohan’ny antenimieram-pirenena izany fifampitifirana izany. Ho hita eo ihany ny tena marina amin’ny raharaha iny.
Raha mijery ity raharaha ity dia efa toa ny any Haiti ny zava-misy eto Madagasikara. Na antananan-debibe na ambanivohitra dia tsy misy intsony ny filaminana. Mifanafika sy mifamono ny mpiray tanindrazana fa tsy vitan’ny fanjakana intsony ny miaro ny vahoaka sy ny fananany.
Fitifirana olona teo Andohan’i Mandroseza
Chargé de mission an’i Andry Rajoelina ny iray
Fantatra izao fa fiara an’ny tale jeneralin’ ny Atontanisa etsy Anosy ilay nitondra ireo olona dimy izay notifirin’ny zandary teny Andohan’i Mandroseza ny talata faha 21 Novambra 2023. Raha ny voalazan’ny zandary dia andian-jiolahy saika hanao fanafihana izy ireto. Raha ny vaovao teny an-toerana anefa dia nahitana vola be tao anatin’ity fiara ity. Misy zavatra maro misafotofoto noho izany satria mbola nahitana taratasin’ny Bianco koa tao anatin’ny fiara.
Fantatra koa ankehitriny fa mpamitaka irak’i Andry Rajoelina hono ny iray tamin’izy ireo teo aloha, ary mbola notazonina ao amin’ny Antontan’isa ihany izy.
Misy koa ny milaza fa valifaty ity raharaha ity. Tena misafotofoto tanteraka. Ho hitantsika ny marina amin’izany aoriana. Mitohy ny fanadihadiana maro samy hafa ataon’ny zandary sy ny fianakavian’ny manana maty ka miandry izany ny rehetra.
Politika
Nivadika tolom-bahoaka ny hetsikin’ny kandidà 10
Nanao fanambarana tamin’ny ireo gazety ny kandidà 10 ny alatsinainy 20 Novambra 2023 fa havadika tolom-bahoaka ny hetsika izay nataon’izy ireo nandritry ny propagandy farany teo iny. Tsy hijanona raha tsy tonga amin’ny fisian’ny tany tan-dalàna sy ny fahamarinana izy ireo ary tsy hijanona raha tsy tonga amin’ny fandresena. Tsy ho ekena koa ny fitondrana vazaha ny malagasy izay tarihin’i Andry Rajoelina izao.
Nilaza koa izy ireo tsy hanaiky izay vokatry ny fifidianana teo iny fa heveriny toa ny tsy nisy izy iny.
Raha dinihina izany fanambarana nataon’ny kandidà 10 izany dia tsy hilamina ny toe-draharaha politika eto Madagasikara.
Ankilnay indray dia nanao fanambarana Florent Rakotoarisoa filohan’ny HCC fa rehefa hiteny izy amin’ny fanaratsiana azy hatramin’izay dia hifankahita eto fa izy tsy hanaiky ny fangalana baraka azy ireny.
Ny fanambarana nataon’ny Razanamahasoa Christine sy ny mpomba azy koa dia mbola miteny ny fifanatonana sy ny fifampidinihina. Manaraka izany dia mandeha be koa ny resaka mahakasika ny hisamborana olona mpanao politika sy foloalindahy.
Misafotofoto ny raharaham-pirenena ka ho hitantsika ny hiafarany.