Miseho lany ny fisamborana miendrika valifaty ataon-dRajoelina vao lany filohampirenena hitantana ny tany sy ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka indray. Toa manamboka sahady ny fanamparam-pahefana amin’ny fampiasana herim-pamoretana atao amin’ireo tsy mitovy fomba fijery na ny mitondra kihana mivaivay eto amin’ny firenena, indrindra ny resaka politika.
Taorian’ny namoahan’ny HCC tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ka nanambarana ny fahalanian-dRajoelina dia mitranga etsy sy eroa ny fihetsika na teny maneho fandrahonana na mampitandrina ankolaka fa « izay tsy mitovy fijery aminay dia hofaizinay ». Ireny efa niarahantsika nahita ireny, ohatra, fa nosamborina na nampanantsoina eny amin’ny polisy mpanao famotorana izay olona miteny zavatra tsy mifanandrify amin’ny fisainan’ny mpitondra . Ny Sekretera jeneralin’ny Tim, Rina Andriamasinoro, ohatra, dia tsy roniny tsy ventiny no nisamborana azy ka nitanana azy herinandro mahery. Voaporitra mafy tany ve fa tsy re feo intsony rehefa navotsotra. Ny depiote Fetra lany tao amin’ny firaisana fahadimy koa dia voasambotra na nangina toy ny sifotra nalan-doha rehefa nivoaka. I Tabera Christian koa iny dia mbola nampiaka-peo amin’ny fitakiana an’ireo mpanao politika migadra mba havotsotra. Ho voasambotra koa ve ? Ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) Sampana Antananarivo koa dia nampanantsona sy nanaovana fanadihadiana raha niantso ny vahoaka sy ny tafika, handray andraikitra.
Endriky ny fampiasana herim-pamoretana avokoa izany ka mahalasa fisainana hoe « mbola ho ela izany vao ho afaka eto ny vahoaka », hoy ilay mifatotra.